Fisaintsainana isan’andro

OMALY

Andriamanitry ny Isiraely no ho mpiambina vodilaharana anareo.

Isaia 52:12

Fiarovana amin’ny Omaly.

"Tadiavin’Andriamanitra izay efa lasa." Amin’ny faran’ny taona dia mitodika amim-pahazotoana amin’izay rehetra ananan’Andriamanitra ho an’ny hoavy isika, kanefa mora mipoitra ny fanahiana noho ny fahatsiarovana ireo omaly. Mora voasakan’ny fahatsiarovana ny fahotana sy ny fahadisoana omaly ny fifaliantsika ankehitriny amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Nefa Andriamanitry ny omalintsika Andriamanitra, ary avelany hahatsiaro izany isika mba hanovana ny lasa ho asa fanompoana fanabeazana ara-panahy ho an’ny hoavy. Ampahatsiahivin’Andriamanitra antsika ny lasa mba tsy hidirantsika amin’ny fiarovana marivo ankehitriny.

Fiarovana ho an’ny Rahampitso.

"Fa ny Tompo handeha eo alohanareo." Fanambarana feno fahasoavana izany, fa hametraka mpiambina eo amin’izay tsy nahombiazantsika Andriamanitra. Hiambina Izy mba tsy hampianjeran’ny zavatra antsika indray amin’ny tsy fahombiazana mitovy, satria azo antoka fa izany no hitranga raha tsy Izy no mpiambina vodilaharana[1] ho antsika. Maninjitra hatrany amin’ny lasa ny tanan’Andriamanitra ka manao ny lasa ho foibe fampifandanjana trosa[2] ho an’ny feon’ny fieritreretana.

Fiarovana ho an’ny Anio.

"Fa tsy hivoaka amim-pahamaikana ianareo." Rehefa mandroso ao amin’ny taona ho avy isika, dia aoka tsy ho amin’ny fahamaikana ateraky ny fifaliana tsy voafehy, tsy mahatsiaro ny lasa, na amin’ny fandosirana ateraky ny tsy fiheverana tampoka, fa amin’ny hery manam-paharetana avy amin’ny fahalalana fa handeha eo alohantsika Andriamanitry ny Isiraely. Mampiseho amintsika zavatra tsy azo amboarina intsony ireo omalintsika; marina fa namoy fahafahana izay tsy hiverina intsony isika, nefa azon’Andriamanitra ovana endrika ho fiheverana manorina ho an’ny hoavy io fanahiana mandrava io. Avelao hatory ny lasa, fa avelao hatory eo an-tratran’i Kristy izany.

Avelao eo an-tanany ny Lasa Tsy Azo Amboarina Intsony, ary mandrosoa miaraka Aminy ao amin’ny Hoavy Tsy Azo Toherina.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana