AOKA ISIKA HIFIKITRA AMIN’NY FOTO-KEVITRA
“Ny faniriako lalina sy ny fanantenako dia ny tsy hahatsapako henatra na oviana na oviana, fa ankehitriny toy ny hatramin’izay dia hanome voninahitra an’i Kristy ao amin’ny tenako amin’ny fahasahiana tsy matahotra aho.”
Filipiana 1:20 (MOFFATT)
Ny fara heriko ho an’izay avo indrindra ho Azy.
"Ny faniriako lalina sy ny fanantenako dia ny tsy hahatsapako henatra na oviana na oviana." Ho menatra mafy isika rehetra raha tsy manolo-tena amin’i Jesosy amin’ilay lafin-javatra nangatahiny antsika hanolorantsika tena Aminy. Hoy Paoly — "Ny fanapahan-kevitro dia ny hanao ny fara heriko ho an’izay avo indrindra ho Azy." Ny hahatongavana eo dia resaka sitrapo, fa tsy adihevitra na fisainana, fa fanolorana ny sitrapo, fahafoizan-tena tanteraka sy tsy azo iverenana amin’io lafin-javatra io. Ny fiheverana tafahoatra ny tenantsika no misakana antsika tsy handray izany fanapahan-kevitra izany, na dia milaza aza isika fa mihevitra ny hafa. Rehefa mandinika izay ho vidin’ny fankatoavantsika ny antson’i Jesosy ho an’ny hafa isika, dia milaza amin’Andriamanitra fa tsy fantany izay ho dikan’ny fankatoavantsika. Mifikira amin’ny foto-kevitra; Izy no tena mahalala. Roahy ny fiheverana hafa rehetra ary mijanòna eo anatrehan’Andriamanitra noho ity zavatra tokana ity ihany — Ny fara heriko ho an’izay avo indrindra ho Azy. Tapa-kevitra aho fa ho Azy tanteraka sy manontolo ary ho Azy irery.
Ny tsy fihemorako ho an’ny fahamasinany.
"Na aina na fahafatesana no hevitr’izany, tsy maninona!" (and.21.) Tapa-kevitra i Paoly fa tsy hisy na inona na inona hampihemotra azy tsy hanao izay tena irin’Andriamanitra. Tsy maintsy miasa ny fandaminan’Andriamanitra mandra-pahatonga krizy eo amin’ny fiainantsika satria tsy mitandrina sy mankatò ilay lalana malefaka kokoa isika. Entiny eo amin’izay angatahiny antsika hanao ny fara herintsika ho Azy isika, ary manomboka miady hevitra; avy eo dia mamorona krizy araka ny fitondrany Izy izay tsy maintsy hanapahantsika hevitra — manaiky na manohitra, ary manomboka eo ny "Fisarahana Lehibe".
Raha tonga aminao amin’ny lafiny iray ny krizy, atolory Azy tanteraka sy tsy azo iverenana ny sitraponao.