HIVOAKA VE IANAO NEFA TSY MAHALALA?
“Nivoaka izy, nefa tsy fantany izay halehany.”
Hebreo 11:8
Efa "nivoaka" toy izao ve ianao? Raha izany, tsy misy fanambarana mirindra azo omena rehefa misy manontany anao izay ataonao. Anisan’ny fahasarotana amin’ny asa kristiana ity fanontaniana ity — "Inona no antenainao hatao?" Tsy fantatrao izay hataonao; ny hany fantatrao dia fantatr’Andriamanitra izay ataony. Diniho mandrakariva indray ny fihetsikao amin’Andriamanitra ka jereo raha fivoahana amin’ny zavatra rehetra izany, amin’ny fitokiana tanteraka amin’Andriamanitra. Io fihetsika io no mitazona anao ho talanjona mandrakariva — tsy fantatrao izay hataon’Andriamanitra manaraka. Isaky ny mifoha maraina ianao dia natao "hivoaka," sady manorina ny fitokianao amin’Andriamanitra. "Aza manahy ny amin’ny ainareo, . . . na ny amin’ny tenanareo koa" — aza manahy ny amin’ireo zavatra izay nanahianao talohan’ny "nivoahanao."
Efa nanontany an’Andriamanitra ve ianao izay hataony? Tsy hilaza aminao mihitsy Izy. Tsy milaza aminao izay hataony Andriamanitra; asehony aminao kosa hoe Iza Izy. Mino an’Andriamanitra mpanao fahagagana ve ianao, ary hivoaka amin’ny fahafoizan-tena tanteraka ho Azy ve ianao mandra-pahatonga anao tsy ho gaga na dia kely aza amin’izay ataony?
Aoka hatao hoe Andriamanitra dia ilay Andriamanitra izay fantatrao fa Izy rehefa akaiky Azy indrindra ianao — tsy fanajana lehibe toy inona moa ny fanahiana! Aoka ny toe-piainana ho "fivoahana" mandrakariva amin’ny fiankinana amin’Andriamanitra, ary hanana hatsaran-tarehy tsy hay lazaina ny fiainanao izay mahafaly an’i Jesosy. Tsy maintsy mianatra mivoaka amin’ny faharesen-dahatra ianao, mivoaka amin’ny fanekem-pinoana, mivoaka amin’ny zavatra niainana, mandra-paha-tsy hisian’ny na inona na inona eo anelanelanao sy Andriamanitra, raha ny finoanao no resahina