"ARY NY HATSARAN-TOETRA REHETRA ANANANTSIKA"
“Ho ao Aminao avokoa ny loharanoko vaovao rehetra.”
Salamo 87:7 (P.B.V.)
Tsy manamboatra ivelany ny hatsaran-toetrantsika voajanahary mihitsy ny Tompontsika, fa mamerina mamorona ny olona manontolo avy ao anatiny. "Tafio ny olona vaovao," izany hoe, ataovy izay hitafian’ny fiainan’olombelona voajanahary anananao ny fitafiana mifanaraka amin’ny fiainam-baovao. Ny fiainana ambolen’Andriamanitra ao anatintsika dia mampitombo ny hatsaran-toetrany manokana, tsy ny hatsaran-toetran’i Adama fa ny an’i Jesosy Kristy. Jereo ny fomba handazoan’Andriamanitra ny fitokianao amin’ny hatsaran-toetra voajanahary aorian’ny fanamasinana, sy amin’izay hery rehetra anananao, mandra-pianaranao manovo ny fiainanao avy amin’ny tahirin’ny fiainam-pitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty. Misaora an’Andriamanitra raha mandalo fanandramana mampahamaina ianao!
Ny famantarana fa miasa ao anatintsika Andriamanitra dia ny fandravany ny fitokiana amin’ny hatsaran-toetra voajanahary, satria tsy fampanantenana momba izay hahatongavantsika ireo, fa sisa tavela amin’izay nokendren’Andriamanitra tamin’ny namoronany ny olona. Mifikitra amin’ny hatsaran-toetra voajanahary isika, kanefa Andriamanitra dia miezaka tsy an-kijanona hampifandray antsika amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy izay tsy azo faritana amin’ny hatsaran-toetra voajanahary mihitsy. Zavatra tena mampalahelo ny mahita olona ao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra miantehitra amin’izay tsy nomen’ny fahasoavan’Andriamanitra azy ireo, ka miantehitra amin’izay ananany noho ny kisendrasendran’ny lova. Tsy mampitombo sy manova endrika ny hatsaran-toetrantsika voajanahary Andriamanitra, satria tsy afaka manatona velively izay irin’i Jesosy Kristy ny hatsaran-toetrantsika voajanahary. Tsy misy fitiavana voajanahary, tsy misy faharetana voajanahary, tsy misy fahadiovana voajanahary afaka mahatratra ny fitakiany. Fa rehefa ampifanarahintsika amin’ny fiainam-baovao napetrak’Andriamanitra ao anatintsika ny ampahany rehetra amin’ny fiainantsika ara-batana, dia hasehony ao anatintsika ireo hatsaran-toetra nampiavaka an’i Jesosy Tompo.
"Ary ny hatsaran-toetra rehetra ananantsika
Dia Azy irery ihany."