Fisaintsainana isan’andro

NY TOERANA MAHAVERY NA MAHANDRESY NY ADY

Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy ny Tompo. . . .

Jeremia 4:1

Any amin’ny toerana miafin’ny sitrapo eo anatrehan’Andriamanitra no mahavery na mahandresy ny ady, fa tsy any amin’ny tontolo ivelany mihitsy amin’ny voalohany. Samborin’ny Fanahin’Andriamanitra aho ka voatery mitokana miaraka amin’Andriamanitra sy mamita ilay ady eo anatrehany. Mandra-pahavitan’izany, dia resy aho isaky ny mandeha. Mety haharitra iray minitra na iray taona ilay ady, miankina amiko izany, fa tsy amin’Andriamanitra; nefa tsy maintsy mitolona mitokana eo anatrehan’Andriamanitra mandra-pahavitany izany, ary tsy maintsy mandalo amim-pahatapahan-kevitra ny helo ateraky ny fahafoizana eo anatrehan’Andriamanitra aho. Tsy misy zavatra manam-pahefana amin’ny olona izay namita ilay ady teo anatrehan’Andriamanitra ka nandresy teo.

Raha manao hoe, "Hiandry mandra-pidirako ao amin’ilay toe-javatra aho ary amin’izay hitsapa an’Andriamanitra," dia ho hitako fa tsy afaka aho. Tsy maintsy alamiko ao amin’ny toerana miafin’ny fanahiko izay tsy itsabahan’ny vahiny ilay raharaha eo amiko sy Andriamanitra, ary amin’izay dia afaka mandroso amin’ny fahazoana antoka fa efa nandresy tamin’ilay ady aho. Raha resy eo aho, dia ho azo antoka tahaka ny didin’Andriamanitra ny loza sy ny faharavana ary ny fikorontanana. Ny tsy handresena ilay ady dia noho ny fiezahako handresy azy any amin’ny tontolo ivelany aloha. Mitokàna miaraka amin’Andriamanitra, ataovy eo anatrehany hatramin’ny farany ilay ady, alamino eo indray mandeha tsy hiverenana ilay raharaha.

Rehefa mifandray amin’ny olon-kafa, ny lalana tokony harahina dia ny manosika azy ireo ho amin’ny fanapahan-kevitry ny sitrapo. Izany no fomba iandohan’ny fahafoizan-tena tanteraka. Indraindray, tsy matetika, fa misy fotoana, no itondran’Andriamanitra antsika ho amin’ny tampony. Izany no Fisarahana Lehibe eo amin’ny fiainana; manomboka eo isika na mizotra mankany amin’ny karazana fiainana Kristiana mihamanemotra sy tsy misy ilàna azy hatrany, na vao mainka mirehitra ho an’ny voninahitr’Andriamanitra — Ny Fara Heriko ho an’Izay Avo Indrindra ho Azy.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana