Fisaintsainana isan’andro

FIOVAM-PO TSY AN-KIJANONA

Raha tsy miova fo ianareo, ka ho tonga tahaka ny zazakely. . . .

Matio 18:3

Marina momba ny fiovam-pontsika voalohany ireo tenin’ny Tompontsika ireo, nefa tsy maintsy miova fo tsy an-kijanona mandritra ny androm-piainantsika rehetra isika, ka mitodika mandrakariva amin’Andriamanitra tahaka ny zaza. Raha ny fahaizantsika no itokiantsika fa tsy Andriamanitra, dia mamokatra vokatra izay hampamoahin’Andriamanitra antsika isika. Raha vao entin’ny fitondran’Andriamanitra ho ao anatin’ny toe-javatra vaovao ny vatantsika, dia tsy maintsy ataontsika izay hankatoavan’ny fiainantsika voajanahary ny baikon’ny Fanahin’Andriamanitra. Ny fahavitantsika izany indray mandeha dia tsy porofo fa mbola hanao izany indray isika. Ny fifandraisan’ny voajanahary amin’ny ara-panahy dia fiovam-po tsy an-kijanona, ary izany indrindra no toherintsika. Ao amin’ny toerana rehetra ametrahana antsika, dia tsy miova ny Fanahin’Andriamanitra ary tsy miova ny famonjeny, nefa tsy maintsy ataontsika ny hoe "Mitafia ny olona vaovao." Mihazona antsika ho tompon’andraikitra Andriamanitra isaky ny mandà tsy hiova fo isika, ary ny ditra iniana no anton’ny fandavantsika. Tsy tokony hanjaka ny fiainantsika voajanahary, fa Andriamanitra no tsy maintsy manjaka ao anatintsika.

Ny sakana eo amin’ny fiainantsika ara-panahy dia ny tsy fetezantsika hiova fo tsy an-kijanona, misy vongan-ditra izay androran’ny avonavontsika ny seza fiandrianan’Andriamanitra ka anaovany hoe — Tsy hanaiky aho. Ataontsika andriamanitra ny fahaleovantena sy ny fiziriziriana ary antsointsika amin’ny anarana diso ireo. Izay heverin’Andriamanitra ho fahalemena be ditra, dia antsointsika hoe hery. Misy faritra manontolo amin’ny fiainantsika izay tsy mbola nampanekena, ary amin’ny alalan’io fiovam-po tsy an-kijanona io ihany no ahavitana izany. Miadana nefa azo antoka no ahafahantsika mitaky ny faritra manontolo ho an’ny Fanahin’Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana