APETRAKA AO AMIN’NY MAZAVA
“Raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava dia manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra ny ran’i Jesosy Kristy Zanany.”
1Jaona 1:7
Fahadisoana lehibe ny mampifangaro ny fahatsiarovan-tena fa afaka amin’ny ota sy ny fanafahana amin’ny ota amin’ny alalan’ny asa fampihavanana. Tsy misy olona mahalala ny atao hoe ota mandra-pahaterany indray. Ny ota no zavatra natrehan’i Jesosy Kristy teo Kalvary. Ny porofo fa afaka tamin’ny ota aho dia ny fahalalako ny tena toetra voajanaharin’ny ota ato anatiko. Ny fiharan’ny asa fampihavanan’i Jesosy Kristy hatrany amin’ny farany indrindra, izany hoe, ny fampitana ny fahatanterahany tanteraka, no ilaina mba hampahafantarana ny olona ny atao hoe ota.
Ampiharin’ny Fanahy Masina amintsika ny asa fampihavanana na ao amin’ny sehatra tsy takatry ny fahatsiarovan-tenantsika na ao amin’ny sehatra takany, ary rehefa takatsika ny herin’ny Fanahy tsy manan-tsahala ao anatintsika ihany vao azontsika ny dikan’ny 1Jaona 1:7, "manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra ny ran’i Jesosy Kristy." Tsy ny ota takatry ny fahatsiarovan-tena ihany no tondroin’izany, fa ny fahatakarana lalina dia lalina momba ny ota izay ny Fanahy Masina ato anatiko ihany no mahatsapa azy.
Raha mandeha eo amin’ny mazava tahaka an’Andriamanitra eo amin’ny mazava aho, tsy eo amin’ny hazavan’ny feon’ny fieritreretako, fa eo amin’ny fahazavan’Andriamanitra — raha mandeha eo aho, ka tsy misy na inona na inona voavalona hafenina, dia tonga ilay fanambarana mahatalanjona, manadio ahy ho afaka amin’ny ota rehetra ny ran’i Jesosy Kristy ka tsy mahita zavatra azo tsinina ato anatiko Andriamanitra Tsitoha. Ao amin’ny fahatsiarovan-tenako dia miseho ho fahalalana maranitra sy maharary ny atao hoe ota izany. Ny fitiavan’Andriamanitra miasa ato anatiko no mahatonga ahy hankahala amin’ny fankahalan’ny Fanahy Masina izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny mandeha eo amin’ny mazava dia midika fa ny zavatra rehetra an’ny haizina dia manosika ahy hanakaiky kokoa ny ivon’ny mazava.