IZAY TOKONY HIFANTOHANA
“Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.”
Matio 10:34
Aza miombom-pihetseham-po na oviana na oviana amin’ny fanahy iray izay mahatonga anao hanatsoaka hevitra fa mafy Andriamanitra ny toe-javatra misy azy. Malemy fanahy mihoatra noho izay azontsika eritreretina Andriamanitra, ary omeny antsika indraindray ny fahafahana ho ilay mafy mba hahafahany ho Ilay malemy fanahy. Raha tsy afaka mamakivaky ho amin’Andriamanitra ny olona iray dia satria misy zavatra miafina izay tsy kasainy afoy — hiaiky aho fa nanao ratsy, nefa tsy mikasa ny hamoy an’io zavatra io mihoatra noho ny fikasako hanidina. Tsy azo atao ny miombom-pihetseham-po amin’ny toe-javatra toy izany: tsy maintsy midina lalina hatrany amin’ny fakany isika mandra-pipoiran’ny fanoherana sy ny lolompo amin’ilay hafatra. Irin’ny olona ny fitahian’Andriamanitra, nefa tsy zakany ilay zavatra manindrona mahitsy hatrany amin’ny nofo velona saro-pady ao aminy.
Raha efa nahatanteraka ny sitrapony taminao Andriamanitra, dia ny fiziriziriana tsy misy indrafo amin’ny lalana tokana no hafatrao amin’ny maha-mpanompony anao, izay midina hatrany amin’ny tena fakany, raha tsy izany dia tsy hisy fanasitranana. Ampidiro lalina ilay hafatra mandra-pahafoanan’ny toerana rehetra azo iafenana amin’ny fampiharana azy. Atombohy ny manatona ny olona eo amin’izay misy azy mandra-pahatsapany izay tsy ampy aminy, ary avy eo atsangano ho an’ny fiainany ny fenitr’i Jesosy Kristy — "Tsy ho afaka ny ho toy izany mihitsy isika." Dia ampidiro lalina — "Milaza i Jesosy Kristy fa tsy maintsy ho toy izany ianareo." "Nefa ahoana no hahatongavanay ho toy izany?" "Tsy afaka ianareo, raha tsy manana Fanahy vaovao." (Lioka 11:13.)
Tsy maintsy misy fahatsapana filàna vao misy ilàna ny hafatrao. Olona an’arivony no sambatra tsy misy an’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao. Raha sambatra sy tsara fitondran-tena aho mandra-pahatongan’i Jesosy, nahoana Izy no tonga? Satria eo amin’ny ambaratonga diso izany karazana fahasambarana sy fiadanana izany; tonga i Jesosy Kristy handefa sabatra hamakivaky ny fiadanana rehetra izay tsy miorina amin’ny fifandraisana manokana Aminy.