Fisaintsainana isan’andro

NY FITSAPANA NY FAHATOKIANA

Ary fantatsika fa miara-miasa hahasoa ireo izay tia an’Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Romana 8:28

Ny fanahy mahatoky ihany no mino fa Andriamanitra no mandamina sy mahatonga ny toe-javatra amim-pikendrena. Ataontsika araka izay tiantsika loatra ny toe-javatra misy antsika, tsy mino isika fa Andriamanitra no mandamina sy mahatonga azy ireny amim-pikendrena, na dia milaza aza isika fa mino; raisintsika ho toy ny olombelona no nandamina sy nahatonga ny zavatra mitranga amim-pikendrena. Ny fahatokiana amin’ny toe-javatra rehetra dia midika fa iray ihany no iantefan’ny fahatokiantsika, ary izany dia ny Tompontsika. Tampoka eo dia ravain’Andriamanitra ny firafitry ny toe-javatra iray, ary tsapantsika fa nivadika Taminy isika noho ny tsy fanekentsika fa Izy no nandahatra izany; tsy hitantsika mihitsy izay nokendreny, ary tsy hiverina mandritra ny androm-piainantsika intsony io zavatra manokana io. Eo indrindra no tonga mandrakariva ny fitsapana ny fahatokiana. Raha mianatra mitsaoka an’Andriamanitra ao anatin’ny toe-javatra mampahory isika, dia hanova azy ireny ao anatin’ny roa segondra Izy rehefa fidiny.

Ny fahatokiana amin’i Jesosy Kristy no zavatra izay "mampijanona antsika[1]" ankehitriny. Hahatoky amin’ny asa isika, amin’ny fanompoana, amin’ny zavatra rehetra, fa aza mangataka antsika hahatoky amin’i Jesosy Kristy. Kristianina maro no tsy manam-paharetana mihitsy raha resahina ny fahatokiana amin’i Jesosy. Esorin’ny mpiasa Kristiana amin’ny seza fiandrianana amin’ny fomba hentitra kokoa noho izao tontolo izao ny Tompontsika. Atao milina hitahiana ny olona Andriamanitra, ary atao Mpiasa iray eo anivon’ny mpiasa i Jesosy Kristy.

Tsy ny hanaovantsika asa ho an’Andriamanitra no hevitra, fa ny hahatonga antsika ho mahatoky Aminy indrindra ka hahafahany manao ny asany amin’ny alalantsika — "Miankina aminareo Aho amin’ny fanompoana faran’izay mitaky, tsy misy fitarainana avy aminareo ary tsy misy fanazavana avy Amiko." Tian’Andriamanitra hampiasaina tahaka ny nampiasany ny Zanany isika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana