NY FANAVOTANA NO MAMORONA NY FILÀNA IZAY FENOINY
“Fa ny olona voajanahary tsy mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra: fa fahadalana aminy izany.”
1Korintiana 2:14
Ny Filazantsaran’Andriamanitra no mamorona fahatsapana fa ilaina ny Filazantsara. Hoy Paoly — "Raha takona ny filazantsaranay, dia takona izany" — amin’ireo olon-dratsy faran’izay ratsy ve? Tsia, "amin’ireo izay very: izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ny sain’ireo tsy mino." Ny ankamaroan’ny olona dia mahafehy tsara ny fitondran-tenany, ka tsy mahatsapa fa mila ny Filazantsara. Andriamanitra no mamorona ilay filàna izay tsy tsapan’ny olombelona raha tsy maneho ny Tenany Andriamanitra. Hoy Jesosy — "Mangataha, dia homena ianareo," nefa tsy afaka manome Andriamanitra raha tsy mangataka ny olona. Tsy hoe mihazona ny fanomezany Izy, fa izany no fomba nandaharany ny zavatra miorina amin’ny Fanavotana. Amin’ny alalan’ny fangatahantsika, dia ampiasan’Andriamanitra ireo dingana izay amoronany ilay zavatra tsy misy raha tsy efa mangataka isika. Ny zava-misy lalina ao amin’ny Fanavotana dia ny famoronany tsy an-kijanona. Tahaka ny amoronan’ny Fanavotana ny fiainan’Andriamanitra ao anatintsika, no amoronany koa ireo zavatra an’io fiainana io. Tsy misy mahafeno ilay filàna afa-tsy izay namorona ilay filàna. Izany no dikan’ny Fanavotana — mamorona sy mameno izany.
"Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy." Mitory ny fanandramantsika manokana isika ka liana ny olona, nefa tsy misy fahatsapana filàna taitra amin’izany. Raha vao asandratra i Jesosy Kristy, dia hamorona fahatsapana fa mila Azy ny Fanahin’Andriamanitra. Ao ambadiky ny fitoriana ny Filazantsara no iasan’ny Fanavotan’Andriamanitra mahay mamorona ao amin’ny fanahin’ny olona. Tsy ny fijoroana ho vavolombelona manokana velively no mamonjy ny olona. "Ny teny izay lazaiko aminareo, dia fanahy sy fiainana."