FITOLONA EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA
“Koa raiso ny fiadian’Andriamanitra rehetra . . . mivavaha mandrakariva . . .”
Efesiana 6:13, 18
Tsy maintsy mitolona amin’ireo zavatra misakana anao tsy ho tonga amin’Andriamanitra ianao, ary mitolona am-bavaka ho an’ny fanahy hafa; nefa aza milaza mihitsy fa mitolona amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ianao, satria tsy marina araka ny Soratra Masina izany. Raha mitolona amin’Andriamanitra ianao, dia ho kilemaina mandritra ny fiainanao sisa rehetra. Raha, rehefa manatona amin’ny fomba tsy tianao Andriamanitra, ianao no mamikitra Aminy tahaka ny nataon’i Jakoba ka mitolona Aminy, dia manery Azy hanatsoaka ny vanin-taolanao hiala amin’ny toerany ianao. Aza mikotringa[1] eo amin’ny lalan’Andriamanitra, fa aoka ho olona mitolona eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireo zavatra ianao, ka tonga mihoatra noho ny mpandresy amin’ny alalany. Misy vokany eo amin’ny Fanjakany ny fitolona eo anatrehan’Andriamanitra. Raha mangataka ahy hivavaka ho anao ianao ary tsy tanteraka ao amin’i Kristy aho, dia mety hivavaka aho nefa tsy misy vokany izany; fa raha tanteraka ao amin’i Kristy aho dia mandresy mandrakariva ny vavako. Tsy mandaitra ny vavaka raha tsy misy fahatanterahana — "Koa raiso ny fiadian’Andriamanitra rehetra."
Avaho mandrakariva ny fandaharan’Andriamanitra sy ny sitrapony mamela zavatra, izany hoe, ny fikasany araka ny fitondrany antsika. Tsy miova ny fandaharan’Andriamanitra; ny sitrapony mamela zavatra no tsy maintsy itolomantsika eo anatrehany. Ny fihetsitsika manoloana ny sitrapon’Andriamanitra mamela zavatra no ahafahantsika mahatratra ny fandaharany. "Miara-miasa hahasoa ireo izay tia an’Andriamanitra ny zavatra rehetra" — ho an’ireo izay mitoetra ho mahatoky amin’ny fandaharan’Andriamanitra, amin’ny antsony ao amin’i Kristy Jesosy. Ny sitrapon’Andriamanitra mamela zavatra no fitaovana hanehoana ireo zanany lahy sy zanany vavy. Tsy tokony ho tahaka ny bibin-dranomasina malemy isika ka hanao hoe, "Sitrapon’ny Tompo izany." Tsy tokony hiady eo anatrehan’Andriamanitra isika, na hitolona amin’Andriamanitra, fa hitolona eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireo zavatra. Mitandrema sao mipetrapetraka amim-pahakamoana eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy manao ady be voninahitra mba hahazoanao mamikitra amin’ny heriny.