Fisaintsainana isan’andro

ANKASITRAHAN’ANDRIAMANITRA

Miezaha haneho ny tenanao ho olona ankasitrahan’Andriamanitra, mpiasa tsy mila menatra, mizara mahitsy ny tenin’ny fahamarinana.

2Timoty 2:15

Raha tsy afaka maneho ny tenanao momba ny foto-kevitra iray ianao, dia mitoloma mandra-pahavitanao izany. Raha tsy manao izany ianao, dia hisy olona hahantra mandritra ny androm-piainany rehetra. Mitoloma mba haneho indray amin’ny tenanao ny fahamarinana sasany avy amin’Andriamanitra, ary hampiasain’Andriamanitra ho an’olon-kafa izany fanehoana izany. Mamakivakia ny famiazam-boalobok’Andriamanitra izay anorotoroana ny voaloboka. Tsy maintsy mitolona ianao mba hahazo fanehoana avy amin’ny fanandramana, dia ho avy ny fotoana izay hahatonga izany fanehoana izany ho tena divay manatanjaka ny olon-kafa; fa raha miteny amim-pahakamoana hoe — "Tsy hitolona haneho ity zavatra ity ho an’ny tenako aho, hindrana izay holazaiko aho," ianao, dia sady tsy hahasoa anao no tsy hahasoa na iza na iza izany fanehoana izany. Miezaha hilaza amin’ny tenanao izay tsapanao ao anatinao ho fahamarinan’Andriamanitra, dia omenao fahafahana hampita izany amin’olon-kafa amin’ny alalanao Andriamanitra.

Ataovy fahazarana mandrakariva ny mandrisika ny sainao handinika izay ekeny mora foana. Tsy tena antsika ny toerana ijoroantsika raha tsy ataontsika ho antsika amin’ny alalan’ny fijaliana. Ny mpanoratra mahasoa anao indrindra dia tsy ilay milaza aminao zavatra tsy fantatrao taloha, fa ilay maneho ny fahamarinana izay nitolona tsy nahateny tao anatinao mba ho voambara.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana