IZAY TOKONY HIVAVAHANA
“Tokony hivavaka mandrakariva ny olona, ka tsy ho reraka”
Lioka 18:1
Tsy afaka manao fanelanelanana am-bavaka ianao raha tsy mino ny Zava-misin’ny Fanavotana; hovanao ho fangorahana poakaty amin’ny olombelona ny fanelanelanana am-bavaka ka vao mainka hampitombo ny fahafaham-pony milefitra amin’ny tsy fifandraisana amin’Andriamanitra izany. Amin’ny fanelanelanana am-bavaka dia entinao eo anatrehan’Andriamanitra ilay olona, na ilay toe-javatra mamely anao mandra-pahatonga ny toe-tsain’Andriamanitra manoloana io olona na toe-javatra io hampihetsika anao. Ny fanelanelanana am-bavaka dia midika ho famenoana "izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy," ary izany no mahatonga ny mpanelanelana am-bavaka ho vitsy dia vitsy. Apetraka amin’izao fomba izao ny fanelanelanana am-bavaka — "Apetraho eo amin’ny toerany ny tenanao." Sanatria! Miezaha hametraka ny tenanao eo amin’ny toeran’Andriamanitra.
Amin’ny maha-mpiasa anao, mitandrema mba hanaraka ny fampitan’Andriamanitra ny zava-misy sao ho torotoro ianao. Raha mahafantatra zavatra be loatra ianao, mihoatra noho izay nalaminy sy nataony amim-pikendrena mba ho fantatrao, dia tsy afaka mivavaka ianao, mahatorotoro loatra ny toe-piainan’ny olona ka tsy afaka mamakivaky ho any amin’ny zava-misy ianao.
Ny asantsika dia ny miditra amin’ny fifandraisana voafaritra amin’Andriamanitra momba ny zavatra rehetra, ary ialantsika izany amin’ny fahatongavana ho mpiasa mavitrika. Manao ireo zavatra azo alahatra anaty tabilao isika fa tsy manao fanelanelanana am-bavaka. Ny fanelanelanana am-bavaka no hany zavatra tsy misy fandrika, satria mitazona ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra hisokatra tanteraka izany.
Ny tokony hotandremana amin’ny fanelanelanana am-bavaka dia ny tsy hanamboarana ivelany fotsiny ny fanahy, fa tsy maintsy mamakivaky ho amin’ny fifandraisana amin’ny fiainan’Andriamanitra ny fanahy iray. Eritrereto ny hamaroan’ireo fanahy nentin’Andriamanitra teo amin’ny lalantsika nefa navelantsika hianjera! Rehefa mivavaka miorina amin’ny Fanavotana isika, dia mamorona zavatra izay tsy azony foronina amin’ny fomba hafa afa-tsy amin’ny alalan’ny vavaka fanelanelanana Andriamanitra.