Fisaintsainana isan’andro

NY MAHA-OLONA

Mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha-iray Antsika.

Jaona 17:22

Ny maha-olona dia ilay zavatra miavaka, tsy voakajy izay tiana holazaina rehefa miresaka ny tenantsika ho hafa amin’ny olon-drehetra isika. Lehibe loatra mandrakariva ka tsy takatsika ny maha-olona antsika. Mety ho tendron’ny tendrombohitra lehibe fotsiny ny nosy iray ao an-dranomasina. Toy ny nosy ny maha-olona, tsy mahalala na inona na inona momba ny halalin-dehibe ao ambaniny isika, koa tsy afaka manombana ny tenantsika. Manomboka amin’ny fiheverana fa afaka manao izany isika, nefa tonga amin’ny fahatsapana fa Iray ihany no Mahalala antsika, ary Izy no Mpamorona antsika.

Ny maha-olona no toetran’ny olona ara-panahy tahaka ny maha-izy azy manokana izay toetran’ny olona voajanahary. Tsy azo faritana velively amin’ny maha-izy azy manokana sy ny fahaleovantena ny Tompontsika, fa amin’ny maha-olona ihany, "Izaho sy ny Raiko dia iray." Miray amin’ny hafa ny maha-olona, ary rehefa tafaray amin’ny olona hafa ianao ihany no mahatratra ny tena maha-ianao anao. Rehefa mamely ny olona ny fitiavana, na ny Fanahin’Andriamanitra, dia ovana endrika izy, ka tsy miziriziry amin’ny maha-izy azy manokana misaraka intsony. Tsy niresaka momba ny maha-izy azy manokana na oviana na oviana ny Tompontsika, na momba ny "kihon’ny" olona na ny toerana itokanany, fa momba ny maha-olona — "mba ho iray izy ireo, tahaka ny maha-iray Antsika." Raha omenao an’Andriamanitra ny zonao amin’ny tenanao, dia mamaly an’Andriamanitra avy hatrany ny tena toetra voajanaharin’ny maha-olona anao. Manafaka ny maha-olona i Jesosy Kristy, ary ovana endrika ny maha-izy azy manokana; ny fitiavana no singa manova endrika, dia fanoloran-tena manokana ho an’i Jesosy. Ny fitiavana dia firotsahan’ny maha-olona iray ao amin’ny fiombonana amin’ny maha-olona iray hafa.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana