Fisaintsainana isan’andro

NY FANOLORANA NY VOAJANAHARY

Nanan-janaka roa i Abrahama, ny iray tamin’ny mpanompovavy, ary ny iray tamin’ny vehivavy afaka.

Galatiana 4:22

Tsy miresaka momba ny ota ato amin’ity toko ao amin’ny Galatiana ity i Paoly, fa momba ny fifandraisan’ny voajanahary amin’ny ara-panahy. Tsy maintsy ovana ho ara-panahy amin’ny alalan’ny fanatitra ny voajanahary, raha tsy izany dia hiteraka fisarahana mahatsiravina eo amin’ny tena fiainana. Nahoana Andriamanitra no handidy ny hanaterana ny voajanahary? Tsy Izy no nandidy izany. Tsy fandaharan’Andriamanitra izany, fa sitrapony mamela izany. Ny fandaharan’Andriamanitra dia ny hanovana endrika ny voajanahary ho ara-panahy amin’ny alalan’ny fankatoavana; ny ota no nahatonga ny fanaterana ny voajanahary ho tsy maintsy atao.

Tsy maintsy nanolotra an’i Isimaela i Abrahama talohan’ny nanolorany an’i Isaka. Ny sasany amintsika dia miezaka manolotra fanatitra ara-panahy ho an’Andriamanitra alohan’ny hanaterantsika ny voajanahary. Ny hany fomba ahafahantsika manolotra fanatitra ara-panahy ho an’Andriamanitra dia ny fanolorana ny vatantsika ho fanatitra velona. Mihoatra noho ny fanafahana amin’ny ota ny fanamasinana, fa midika ho fanolorana amim-piniavana ho an’Andriamanitra ny tenako izay efa novonjen’Andriamanitra, ary tsy ahoako izay mety ho vidiny.

Raha tsy manolotra ny voajanahary ho an’ny ara-panahy isika, dia haneso ny fiainan’ny Zanak’Andriamanitra ao anatintsika ny fiainana voajanahary ary hiteraka fisalasalana tsy an-kijanona. Izany hatrany no vokatry ny toetra ara-panahy tsy voaofana. Mivily isika satria mandà mafy ny hampiofana ny tenantsika, na ara-batana, na ara-pitondran-tena na ara-tsaina. "Tsy nampiofanina aho tamin’ny fahazazako." Tsy maintsy mampiofana ny tenanao ianao izao. Raha tsy manao izany ianao, dia hanimba ny fiainanao manokana manontolo ho an’Andriamanitra.

Tsy miaraka amin’ny fiainantsika voajanahary Andriamanitra raha mbola tambatambazantsika izany; fa rehefa avoakantsika any an’efitra izany ka fehezintsika amim-pahatapahan-kevitra, dia hiaraka aminy Andriamanitra; ary hanokatra fantsakana sy tany lonaka Izy, sady hanatanteraka ny fampanantenany rehetra ho an’ny voajanahary.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana