NY TEMPOLIN’NY FANAHY MASINA
“Eo amin’ny seza fiandrianana ihany no ho lehibe noho ianao aho.”
Genesisy 41:40
Tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra aho ny amin’ny fomba itondrako ny vatako eo ambany fanapahany. Nilaza i Paoly fa tsy "nahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra" izy — izany hoe tsy nanao azy ho tsy misy vokany. Tsy misy fetra ny fahasoavan’Andriamanitra, tanteraka ny famonjen’i Jesosy, vita mandrakizay izany. Tsy eo am-pamonjena ahy Izy, fa efa voavonjy aho; mandrakizay tahaka ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny famonjena; ny tokony hataoko dia ny manatanteraka izay tanterahin’Andriamanitra ato anatiko. "Miasà hahatanteraka ny famonjena anareo," izaho no tompon’andraikitra amin’ny fanaovana izany. Midika izany fa tsy maintsy asehoko ato amin’ity vatana ity ny fiainan’i Jesosy Tompo, tsy amin’ny fomba mifono zava-miafina, fa amin’ny fomba tena izy sy miharihary. "Feheziko ny vatako, ka andevoziko." Afaka mifehy tanteraka ny vatany ho an’Andriamanitra ny olo-masina tsirairay. Nataon’Andriamanitra ho afaka hanapaka ny tempolin’ny Fanahy Masina manontolo isika, dia ny fieritreretana sy ny firaiketam-po. Tompon’andraikitra amin’ireo isika, ary tsy tokony hanaiky na oviana na oviana ny firaiketam-po tafahoatra. Ny ankamaroantsika dia henjana kokoa amin’ny hafa noho ny amin’ny tenantsika; manala tsiny ny zavatra ao anatintsika isika kanefa manameloka amin’ny hafa ireo zavatra tsy ananantsika fironana voajanahary.
"Miangavy anareo aho," hoy Paoly, "atolory ho fanatitra velona ny vatanareo." Izao no hevitra tokony hotapahina — "Miombon-kevitra amin’ny Tompoko sy Mpampianatro ve aho fa ho Tempoliny ny vatako?’ Raha izany, dia voafintina ao amin’ity fanambarana ity ho ahy ny lalàna rehetra momba ny vatana, dia ny hoe tempolin’ny Fanahy Masina ny vatako.