Fisaintsainana isan’andro

NY HARENA AVY AMIN’NY FAHANTRANA TANTERAKA

Hamarinina maimaim-poana amin’ny fahasoavany. . .

Romana 3:24

Mamoha faniriana mafy ao amin’ny fanahin’olombelona sy lolompo mafy toy izany koa ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra, satria tsy mahafinaritra ny fanambarana entiny. Misy avonavona ao amin’ny olona izay vonona hanome sy hanome, fa zavatra hafa kosa ny manatona ka mandray. Homeko ho amin’ny fahamaritiora ny fiainako, hanolotra ny tenako amin’ny fanokanana aho, hanao na inona na inona aho, fa aza mampietry ahy ho amin’ny ambaratongan’ilay mpanota mendrika ny helo indrindra ka milaza amiko fa ny hany tokony hataoko dia ny mandray ny fanomezam-pamonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

Tsy maintsy takatsika fa tsy afaka mahazo na inona na inona avy amin’Andriamanitra ho karama na ho loka isika; na mandray izany ho fanomezana isika na tsy manana izany. Ny fitahiana ara-panahy lehibe indrindra dia ny fahalalana fa tsy manana na inona na inona isika; mandra-pahatongantsika eo dia tsy manan-kery ny Tompontsika. Tsy afaka manao na inona na inona ho antsika Izy raha mihevitra isika fa mahavita tena, fa tsy maintsy miditra ao amin’ny Fanjakany amin’ny varavaran’ny fahantrana tanteraka isika. Raha mbola manankarena isika, ka manana avonavona na fahaleovantena na inona na inona, dia tsy afaka manao na inona na inona ho antsika Andriamanitra. Rehefa noana ara-panahy ihany isika vao mandray ny Fanahy Masina. Ny fanomezana ny tena toetra fototr’Andriamanitra dia ampahatanterahin’ny Fanahy Masina ao anatintsika, omeny antsika ny fiainan’i Jesosy mamelona, izay mametraka "ny any ankoatra" ao anaty, ary raha vao tafiditra ao anaty izany "ny any ankoatra" izany, dia misondrotra ho any amin’ny "any ambony," ka asandratra ho ao amin’ny sehatra iainan’i Jesosy isika. (Jaona 3:5.)

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana