NY FAMPIFANTOHANA NY HERY ARA-PANAHY
“. . . afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika.”
Galatiana 6:14
Raha te hahalala ny herin’Andriamanitra (izany hoe, ny fiainan’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty) ao amin’ny nofonao mety maty ianao, dia tsy maintsy misaintsaina lalina ny zava-doza niaretan’Andriamanitra. Tapaho ny fahaliananao manokana te-hitsikilo ireo fambara ara-panahinao ary diniho amin’ny fanahy tsy misaron-javatra ny zava-doza niaretan’Andriamanitra, dia ho ao aminao avy hatrany ny herin’Andriamanitra. "Mijere Ahy," ampifantohy amin’ilay Loharano ivelanao ny sainao dia ho eo ny hery miasa ao anatinao. Very hery isika raha tsy mifantoka amin’ny zavatra marina. Ny vokatry ny Hazofijaliana dia famonjena, fanamasinana, fanasitranana, sns., nefa tsy tokony hitory na iray amin’ireo isika, fa i Jesosy Kristy sy Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana no tokony hotorintsika. Hanao ny asany manokana ny fanambarana an’i Jesosy. Mifantoha amin’ny ivon’Andriamanitra ao amin’ny fitorianao, ary na toa tsy miraharaha aza ny vahoaka mihaino anao, dia tsy ho afaka hitovy amin’ny teo aloha intsony izy ireo. Raha miteny ny teniko manokana aho, dia tsy manan-danja aminao mihoatra noho ny maha-zava-dehibe ny teninao amiko izany; fa raha miteny ny fahamarinan’Andriamanitra aho, dia hifanena amin’izany indray ianao ary izaho koa. Tsy maintsy mifantoka amin’ilay teboka lehibe misy ny hery ara-panahy isika — ny Hazofijaliana, mba hifandray hatrany amin’ilay ivo misy ny hery rehetra, dia hovahana ny hery. Ao amin’ny hetsiky ny fahamasinana sy ny fivorian’ny fanandramana ara-panahy dia mety tsy hapetraka amin’ny Hazofijalian’i Kristy ny fifantohana, fa amin’ny vokatry ny Hazofijaliana.
Kianina ankehitriny ny fahalemen’ny fiangonana, ary ara-drariny izany tsikera izany. Antony iray mahatonga ny fahalemena ny tsy fisian’io fampifantohana ny hery ara-panahy io; tsy ampy ny fisaintsainantsika lalina ny zava-doza tao Kalvary na ny hevitry ny Fanavotana.