NY ZAVA-MIAFIN’NY FIRINDRANA ARA-PANAHY
“Fa sanatria ahy ny hirehareha, afa-tsy ny hazofijalian’i Jesosy Kristy Tompontsika.”
Galatiana 6:14
Rehefa teraka indray voalohany ny olona iray, dia tsy mirindra izy, misy fihetseham-po maro tsy mifandray ao aminy, ary misy dingana ivelany tsy mifandray. Tao amin’ny apostoly Paoly dia nisy firindrana mafy orina tao ambany, noho izany dia azony navela hiova araka izay tiany ny fiainany ivelany ary tsy nampahory azy izany satria namaka sy niorina tao amin’Andriamanitra izy. Tsy mirindra ara-panahy ny ankamaroantsika satria variana kokoa amin’ny ho mirindra etỳ ivelany isika. Tao ambany rihana no niainan’i Paoly; ny mpitsikera mirindra kosa miaina ao amin’ny rihana ambony amin’ny fanambarana ivelan’ny zavatra, ary tsy manomboka mifampikasoka akory izy roa tonta.
Tany amin’ny fototra no nisy ny tsy fiovaovan’i Paoly. Ny fototra lehibe tamin’ny firindrany dia ny fijalian’Andriamanitra tao amin’ny Fanavotana izao tontolo izao, izany hoe, ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy.
Lazao indray amin’ny tenanao izay inoanao, avy eo esory araka izay azo atao ny ankamaroan’izany, ary miverena any amin’ny vatolampy fototry ny Hazofijalian’i Kristy. Eo amin’ny tantara ivelany dia zavatra faran’izay bitika ny Hazofijaliana; raha araka ny fomba fijerin’ny Baiboly dia manan-danja mihoatra noho ny fanjakana rehetra eto amin’izao tontolo izao izy. Raha miala amin’ny fisaintsainana lalina ny zava-doza niaretan’Andriamanitra teo amin’ny Hazofijaliana isika rehefa mitory, dia tsy mamokatra na inona na inona izany. Tsy mampita ny herin’Andriamanitra amin’ny olona izany; mety hahaliana izany nefa tsy manan-kery. Fa torio ny Hazofijaliana, dia avoaka ny herin’Andriamanitra. "Sitrak’Andriamanitra ny hamonjy izay mino amin’ny hadalan’ny toriteny." "Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana no torinay."