NY ITODIHAN’NY FANIRIANA AMBONY
“Indro, tahaka ny ijeren’ny mason’ny mpanompo ny tanan’ny tompony . . . no iandrasan’ny masontsika ny Tompo Andriamanitsika.”
Salamo 123:2
Famaritana ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra io andininy io. Tahaka ny ifantohan’ny mason’ny mpanompo amin’ny tompony, dia miandrandra an’Andriamanitra koa ny masontsika ary amin’izany no ahazoantsika fahalalana ny endriny (jereo Isaia 53:1. R.V). Manomboka ny fivoahan’ny hery ara-panahy rehefa tsy manandratra ny masontsika ho Aminy intsony isika. Tsy noho ny fahasahiranana etỳ ivelany loatra no itrangan’ilay fivoahana fa ao amin’ny sary an-tsaina; rehefa manomboka manao hoe — "Heveriko fa nanery ny tenako hihoatra kely aho, nijoro tamin’ny tendron-tongotra sy niezaka hitovy amin’Andriamanitra fa tsy ho olona tsotra sy manetry tena." Tsy maintsy takatsika fa tsy misy ezaka avo loatra.
Ohatra, tonga tamin’ny fotoan-tsarotra ianao ka nijoro ho an’Andriamanitra ary nanana ny fijoroan’ny Fanahy ho vavolombelona fa marina ny zava-drehetra, nefa lasa ny herinandro, ary angamba ny taona, ka tonga miadana amin’izao fanatsoahan-kevitra izao ianao — 'Eny ary, rehefa dinihina, moa ve tsy somary nihevi-tena ho ambony loatra aho? Moa ve tsy nijoro ambony loatra aho?' Tonga ireo namanao misaina araka ny saina ka manao hoe — Aza adala, fantatray tamin’ny fotoana niresahanao io fifohazana ara-panahy io, fa fihetsehana mandalo izany, tsy zakanao ny manohy izany fihenjanana izany, tsy manantena izany aminao Andriamanitra. Ary hoy ianao — Eny ary, angamba nanantena zavatra be loatra aho. Toa fanetren-tena ny milaza izany, nefa midika izany fa efa lasa ny fiankinana amin’Andriamanitra ary niditra ny fiankinana amin’ny hevitry izao tontolo izao. Ny loza dia sao tsy miankina amin’Andriamanitra intsony ianao ka tsy miraharaha ny fanandratana ny masonao ho Aminy. Rehefa mampijanona anao tampoka Andriamanitra, dia vao ho takatrao fa nihemotra tsikelikely ianao. Isaky ny misy fivoahan-kery, dia tampeno avy hatrany izany. Fantaro fa nisy zavatra niditra teo aminao sy Andriamanitra, ary ahitsio avy hatrany izany.