Fisaintsainana isan’andro

NY FANELINGELENANA AVY AMIN’NY TSY FITIAVANA

Mamindrà fo aminay, Tompo ô, mamindrà fo aminay: fa tototry ny fanamavoana indrindra izahay.

Salamo 123:3

Ny zavatra tokony hotandremantsika dia tsy ny fahasimban’ny finoantsika an’Andriamanitra loatra fa ny fahasimban’ny toe-panahintsika Kristiana. "Koa mitandrema ny amin’ny fanahinareo, mba tsy hanaovanareo fitaka." Lehibe dia lehibe ny vokatry ny toetry ny saina, izy no fahavalo izay miditra hatrany amin’ny fanahy ary mampiala ny saina amin’Andriamanitra. Misy toetry ny saina sasany izay tsy tokony havelantsika mihitsy hanjaka ao amintsika; raha manao izany isika, dia hitantsika fa nampiala antsika tamin’ny finoana an’Andriamanitra izy ireo, ary mandra-piverenantsika amin’ny toe-tsaina tony eo anatrehan’Andriamanitra, dia tsy misy intsony ny finoantsika Azy na dia kely aza, ary ny fitokiantsika amin’ny nofo sy ny fahaizan’olombelona mamoron-kevitra no manjaka.

Mitandrema amin’ny "fiahiahiana izao tontolo izao," satria ireo no miteraka toe-panahy diso. Mahagaga ny hery goavana ananan’ny zavatra tsotra hampiala ny saintsika amin’Andriamanitra. Mandà tsy ho tototry ny fiahiahiana izao fiainana izao.

Zavatra hafa mampiala antsika koa ny faniriana mafy hanamarina tena. Nivavaka i Masindahy Augustin — "Ry Tompo ô, afaho amin’izao faniriana mafy hanamarina ny tenako mandrakariva izao aho." Manimba ny finoan’ny fanahy an’Andriamanitra izany toe-tsaina izany. "Tsy maintsy manazava ny momba ahy aho; tsy maintsy ataoko izay hahatakaran’ny olona." Tsy nanazava na inona na inona mihitsy ny Tompontsika; navelany hanitsy ny tenany ny hevi-diso.

Rehefa mamantatra isika fa tsy mandroso ara-panahy ny olona ka avelantsika hivadika ho fitsikerana ilay fahaiza-mamantatra, dia sakanantsika ny lalantsika mankany amin’Andriamanitra. Tsy manome antsika fahaiza-mamantatra mihitsy Andriamanitra mba hitsikerantsika, fa mba hanaovantsika fanelanelanana am-bavaka.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana