NY MARIVO SY NY LALINA
“Koa na mihinana ianareo, na misotro, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra avokoa.”
1Korintiana 10:31
Mitandrema mba tsy hamela ny tenanao hieritreritra fa tsy notendren’Andriamanitra ireo raharaha marivo eo amin’ny fiainana; avy amin’Andriamanitra tahaka ireo lalina koa izy ireo. Tsy ny fanoloran-tenanao amin’Andriamanitra no mahatonga anao handà ny ho marivo, fa ny fanirianao hampiaiky ny hafa fa tsy marivo ianao, izay famantarana azo antoka fa mpiseho ho ambony ara-panahy ianao. Mitandrema sao miteraka fanamavoana ao anatinao, manaraka io lalana io mandrakariva izany, ary mahatonga anao handehandeha toy ny fananarana velona ho an’ny hafa satria marivo noho ianao izy ireo. Mitandrema tsy hanao fihetsika ho olona lalina; tonga Zazakely Andriamanitra.
Ny hoe marivo dia tsy famantarana ny faharatsiana, ary ny fahamarivoana koa tsy famantarana fa tsy misy ny lalina: manana morontsiraka ny ranomasina. Ireo zavatra mahafinaritra marivo eo amin’ny fiainana, dia ny fihinanana sy ny fisotroana, ny fandehanana sy ny firesahana, dia samy notendren’Andriamanitra. Ireo no zavatra niainan’ny Tompontsika. Niaina tao anatin’ireo Izy amin’ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy, ary nilaza Izy fa "ny mpianatra tsy ambony noho ny Mpampianatra azy."
Ao amin’ny zavatra marivo no misy ny fiarovana antsika. Tsy maintsy miaina ny fiainana etỳ ivelany tarihin’ny saina mahazatra amin’ny fomba araka ny saina mahazatra isika; rehefa tonga ny zavatra lalina, dia omen’Andriamanitra antsika misaraka amin’ny raharaha marivo izany. Aza aseho amin’iza na iza afa-tsy amin’Andriamanitra ny lalina. Matotra amin’ny fomba maharikoriko loatra isika, liana amin’ny toetrantsika manokana amin’ny fomba mamoy fo loatra, ka mandà tsy hitondra tena tahaka ny Kristiana ao amin’ny raharaha marivo eo amin’ny fiainana.
Aoka ianao ho tapa-kevitra tsy handray olona ho tena zava-dehibe afa-tsy Andriamanitra, ary ny olona voalohany izay hitanao fa tsy maintsy tsy raharahainao mihitsy satria izy no mpisoloky lehibe indrindra fantatrao hatrizay, dia ny tenanao.