VITA IZANY
“Efa vitako ny asa nomenao Ahy hatao.”
Jaona 17:4
Ny Fahafatesan’i Jesosy Kristy no fanatanterahana teo amin’ny tantara ny tena Sain’Andriamanitra. Tsy misy toerana hiheverana an’i Jesosy Kristy ho maritiora; ny fahafatesany dia tsy zavatra nanjo Azy izay nety ho azo nosakanana: ny fahafatesany no tena antony nahatongavany.
Aza manorina mihitsy ny fitorianao ny famelan-keloka amin’ny hoe Raintsika Andriamanitra ka hamela antsika satria tia antsika Izy. Tsy mifanaraka amin’ny fanambaran’i Jesosy Kristy momba an’Andriamanitra izany; ataony tsy ilaina ny Hazofijaliana, ary ny Fanavotana dia "tabataba be noho ny tsy misy." Raha mamela ny fahotana Andriamanitra, dia noho ny Fahafatesan’i Kristy izany. Tsy afaka namela ny olona tamin’ny fomba hafa afa-tsy tamin’ny fahafatesan’ny Zanany Andriamanitra, ary nasandratra ho Mpamonjy i Jesosy noho ny fahafatesany. "Hitantsika i Jesosy noho ny fijalian’ny fahafatesana, voasatroka voninahitra sy haja." Ny feon’ny fandresena lehibe indrindra izay nanakoako teo an-tsofin’izao rehetra izao taitra dia ilay nanakoako teo amin’ny Hazofijalian’i Kristy — "Vita." Izany no teny farany amin’ny Fanavotana ny olona.
Izay rehetra manamaivana na mamafa ny fahamasinan’Andriamanitra amin’ny fomba fijery diso momba ny fitiavan’Andriamanitra, dia tsy mifanaraka amin’ny fanambaran’Andriamanitra nomen’i Jesosy Kristy. Aza manaiky mihitsy ny hevitra fa miandany amintsika hanohitra an’Andriamanitra noho ny fangoraham-po sy ny fiantrana i Jesosy Kristy; na hoe tonga ozona ho antsika noho ny fiombom-pihetseham-pony amintsika Izy. Noho ny didin’Andriamanitra no nahatonga an’i Jesosy Kristy ho ozona ho antsika. Ny anjarantsika amin’ny fahatakarana ny hevitra mahatahotra ao amin’ny ozona dia ny fandresen-dahatra ny amin’ny fahotana, omena antsika ny fahamenarana sy ny fibebahana — izany no famindram-pon’Andriamanitra lehibe. Halan’i Jesosy Kristy ny ratsy ao amin’ny olona, ary Kalvary no fandrefesana ny fankahalany izany.