Fisaintsainana isan’andro

NY FAMELAN’ANDRIAMANITRA

Ao Aminy no ananantsika . . . ny famelana ny fahotana.

Efesiana 1:7

Mitandrema amin’ilay fomba fijery mahafinaritra momba ny maha-Ray an’Andriamanitra — tsara fanahy sy be fitiavana tokoa Andriamanitra ka mazava ho azy fa hamela antsika Izy. Tsy manana toerana mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao izany fihetseham-po izany. Ny loza mahatahotra lehibe tamin’ny Hazofijalian’i Kristy ihany no fototra ahafahan’Andriamanitra mamela antsika; fitenenan-dratsy tsy tsapantsika ny mametraka ny famelan-keloka amin’ny fototra hafa rehetra. Ny Hazofijalian’i Kristy ihany no fototra ahafahan’Andriamanitra mamela ny fahotana sy mamerina antsika amin’ny fankasitrahany, ary tsy misy fomba hafa. Ny famelan-keloka, izay mora raisintsika tokoa, dia nitaky ny fijalian’i Kalvary. Azo atao ny mandray ny famelana ny fahotana, ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary ny fanamasinana antsika amin’ny fahatsoran’ny finoana, ary ny hanadino ny vidiny goavana naloan’Andriamanitra mba hahatonga izany rehetra izany ho antsika.

Fahagagan’ny fahasoavana avy amin’Andriamanitra ny famelan-keloka; nitaky tamin’Andriamanitra ny Hazofijalian’i Jesosy Kristy izany vao afaka namela ny fahotana Izy sady nitoetra ho Andriamanitra masina. Aza manaiky mihitsy fomba fijery momba ny maha-Ray an’Andriamanitra raha mamafa ny Asa Fampihavanana izany. Ny fanambaran’Andriamanitra dia ny hoe tsy afaka mamela Izy; hanohitra ny toetrany Izy raha manao izany. Ny hany fomba ahazoantsika famelan-keloka dia ny famerenana antsika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Asa Fampihavanana. Tsy voajanahary ny famelan’Andriamanitra raha tsy ao amin’ny sehatra mihoatra ny voajanahary.

Raha ampitahaina amin’ny fahagagan’ny famelana ny fahotana, dia kely ny fanandramana ny fanamasinana. Ny fanamasinana dia fanehoana mahatalanjona fotsiny ny famelana ny fahotana eo amin’ny fiainan’olombelona, fa ny zavatra mamoha ny loharano lalina indrindra amin’ny fankasitrahana ao amin’ny olombelona dia ny namelan’Andriamanitra ny fahotana. Tsy niala tamin’izany mihitsy i Paoly. Raha vao takatrao izay rehetra nitaky tamin’Andriamanitra mba hamelana anao, dia hohazonina toy ny ao anaty famihina vy[1] ianao, ka teren’ny fitiavan’Andriamanitra.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana