MANDRESY HO AMIN’NY FAHAFAHANA
“Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.”
Jaona 8:36
Raha mbola misy sisa amin’ny fireharehan’ny maha-izy azy manokana, dia miteny mandrakariva izy hoe "Tsy afaka aho." Tsy miteny mihitsy ny maha-olona hoe "Tsy afaka aho," fa mandray sy mandray fotsiny. Maniry bebe kokoa hatrany ny maha-olona. Izany no fomba nanorenana antsika. Noforonina hanana fahafahana lehibe handray an’Andriamanitra isika; ary ny fahotana sy ny maha-izy antsika manokana no zavatra misakana antsika tsy hanatona an’Andriamanitra. Manafaka antsika amin’ny fahotana Andriamanitra: isika kosa no tsy maintsy manafaka ny tenantsika amin’ny maha-izy azy manokana, izany hoe, manolotra ny fiainantsika voajanahary amin’Andriamanitra ka manao sorona azy mandra-panovan’ny fankatoavana azy ho fiainana ara-panahy.
Tsy miraharaha velively ny maha-izy antsika manokana voajanahary Andriamanitra eo amin’ny fampandrosoana ny fiainantsika ara-panahy. Mifanipaka tanteraka amin’ny fiainana voajanahary ny fandaharany, ary tsy maintsy ataontsika izay hanampiantsika sy hanohanantsika an’Andriamanitra, fa tsy hijoro hanohitra Azy ka hanao hoe — Tsy afaka manao izany aho. Tsy hampiofana antsika Andriamanitra, fa isika no tsy maintsy mampiofana ny tenantsika. Tsy hitondra ny eritreritra sy ny sary an-tsaina rehetra ho babo Andriamanitra; isika no tsy maintsy manao izany. Aza manao hoe — Ry Tompo ô, mijaly noho ny eritreritra mirenireny aho. Aza mijaly noho ny eritreritra mirenireny. Atsaharo ny fihainoana ny fanjakazakan’ny maha-izy anao manokana ary mivoaha ho amin’ny fahafahan’ny maha-olona.
"Raha ny Zanaka no hahafaka anareo . . ." Aza soloina hoe 'Mpamonjy' ny hoe 'Zanaka.' Manafaka antsika amin’ny fahotana ny Mpamonjy; izany no fahafahana avy amin’ny fanafahan’ny Zanaka. Izany no tian’i Paoly holazaina ao amin’ny Gal. 2:20 — "Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho," efa torotoro ny maha-izy azy manokana voajanahary ary tafaray amin’ny Tompony ny maha-olona azy, tsy levona ho zavatra iray fa tafaray. "Ho afaka tokoa ianareo," afaka amin’ny tena toetra fototra, afaka avy ao anaty. Hiziriziry amin’ny hery avy amintsika isika, fa tsy hanaiky homena hery mba ho tafaray maha-iray amin’i Jesosy.