NY FIAINANA NIOVA TAREHY
“Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha; indro, tonga vaovao ny zavatra rehetra.”
2Korintiana 5:17
Inona no hevitrao momba ny famonjena ny fanahinao? Ny fanandramana ny famonjena dia midika fa eo amin’ny fiainanao tena misy dia tena miova ny zavatra, tsy mijery zavatra tahaka ny taloha intsony ianao; vaovao ny fanirianao, very hery ny zavatra taloha. Iray amin’ireo vato fizahan’ny fanandramana ny hoe — Efa novain’Andriamanitra ve ilay zavatra tena manan-danja? Raha mbola maniry mafy ireo zavatra taloha ianao, dia hadalana ny miresaka ny amin’ny fahaterahana avy any ambony, mamita-tena ianao. Raha teraka indray ianao, dia asehon’ny Fanahin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao tena misy sy ny fisainanao izany fiovana izany, ary rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia ianao no olona talanjona indrindra etỳ an-tany noho ilay fahasamihafana mahatalanjona ao aminao. Tsy azo eritreretina akory fa ianao no nanao izany. Io fiovana tanteraka sy mahatalanjona io no porofo fa fanahy voavonjy ianao.
Inona no fahasamihafana nentin’ny famonjena sy ny fanamasinana ahy? Ohatra, afaka mijoro eo amin’ny fahazavan’ny 1Korintiana 13 ve aho, sa tsy maintsy misoroka? Ny famonjena tanterahin’ny Fanahy Masina ato anatiko dia manafaka ahy tanteraka, ary raha mbola mandeha eo amin’ny fahazavana tahaka an’Andriamanitra izay ao amin’ny fahazavana aho, dia tsy mahita na inona na inona tokony hanamelohany Izy satria miasa amin’ny antsipiriany rehetra ny fiainany, tsy ao amin’ny fahatsiarovan-tenako, fa lalina noho ny fahatsiarovan-tenako.