NY FIANKARANA AVO INDRINDRA
“Ento ankehitriny ny zanakao .”
Genesisy 22:2
Ny didin’Andriamanitra dia — Raiso ankehitriny, fa tsy rehefa afaka kelikely. Mahagaga ny fomba iadian-kevitsika! Fantatsika fa marina ny zavatra iray, nefa mitady fialan-tsiny isika tsy hanaovana azy avy hatrany. Ny fiakarana ho any amin’ny haavo asehon’Andriamanitra dia tsy azo atao mihitsy rehefa afaka kelikely, fa tsy maintsy atao ankehitriny. Efa lalovana ao amin’ny sitrapo ny fanatitra alohan’ny hanatanterahana azy eo amin’ny tena zava-misy.
"Ary nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin’ilay toerana nolazain’Andriamanitra taminy" (andininy 3). Ny fahatsoran’i Abrahama mahatalanjona! Rehefa niteny Andriamanitra, dia tsy nifampidinika tamin’ny nofo aman-dra izy. Mitandrema rehefa te hifampidinika amin’ny nofo aman-dra ianao, izany hoe, amin’ny fiombom-pihetseham-ponao manokana, amin’ny fahalalanao manokana, na amin’izay rehetra tsy miorina amin’ny fifandraisanao manokana amin’Andriamanitra. Ireo no zavatra mifaninana amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra sy manakana izany.
Tsy i Abrahama no nifidy ny fanatitra. Mitandrema mandrakariva amin’ny fanompoana an’Andriamanitra nofidin’ny tena; mety ho aretina ny fanaovana sorona ny tena. Raha nataon’Andriamanitra mamy ny kapoakanao, dia sotroy amim-pahasoavana; raha nataony mangidy kosa izany, dia sotroy ao anatin’ny fiombonana Aminy. Raha fotoana sarotra feno fahasahiranana no fandaharan’ny fitondran’Andriamanitra ho anao, dia lalovy hatramin’ny farany izany, fa aza mifidy mihitsy ny toerana hanaovanao maritiora ny tenanao. Andriamanitra no nifidy ny memy fandrendrehana ho an’i Abrahama, ary tsy nanohitra i Abrahama; namakivaky izany tamim-paharetana izy. Raha tsy miaina mifandray Aminy ianao, dia mora ny mamoaka didim-pitsarana bontolo momba an’Andriamanitra. Tsy maintsy mandalo ao amin’ny memy fandrendrehana ianao vao manan-jo hamoaka didim-pitsarana, satria ao amin’ny memy no ianaranao hahalala tsara kokoa an’Andriamanitra. Miasa ho amin’ireo tanjony avo indrindra Andriamanitra mandra-pahatongan’ny tanjony sy ny tanjon’ny olona ho iray.