Fisaintsainana isan’andro

FIOMBONANA AO AMIN’NY FILAZANTSARA

Mpiara-miasa mikely aina ao amin’ny filazantsaran’i Kristy.

1Tesaloniana 3:2

Aorian’ny fanamasinana dia sarotra ny milaza izay tanjonao eo amin’ny fiainana, satria nampidirin’Andriamanitra ao amin’ny fikasany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao; ampiasainy ho amin’ny fikasany maneran-tany ianao ankehitriny tahaka ny nampiasany ny Zanany ho amin’ny fikasan’ny famonjena antsika. Raha mitady zavatra lehibe ho an’ny tenanao ianao — niantso ahy ho amin’izao sy izao Andriamanitra; mametraka sakana amin’ny fampiasan’Andriamanitra anao ianao. Raha mbola manana tombontsoa manokana amin’ny toetranao ianao, na fanirian-daza voafaritra, dia tsy afaka mamaky mankany amin’ny fampiraisana amin’ny tombontsoan’Andriamanitra ianao. Amin’ny famoizana mandrakizay izay hevitra rehetra momba ny tenanao sy ny famelana an’Andriamanitra hitondra anao tanteraka ao amin’ny fikasany ho an’izao tontolo izao ihany no ahatongavanao eo, ary satria avy amin’ny Tompo ny fandehananao, dia tsy ho azonao takarina mihitsy ny lalanao.

Tsy maintsy mianatra aho fa an’Andriamanitra ny tanjona eo amin’ny fiainana, fa tsy ahy. Ampiasain’Andriamanitra avy amin’ny fomba fijeriny manokana lehibe aho, ary ny hany angatahiny amiko dia ny hatokiako Azy, sy ny tsy hanaovako mihitsy hoe — Tompo ô, mampanaintaina mafy ny foko izany. Ny firesahana toy izany no mahatonga ahy ho sakana. Rehefa mitsahatra tsy milaza amin’Andriamanitra izay iriako aho, dia afaka mandray ahy ho amin’izay iriny Izy tsy misy sakana na fanakantsakanana[1]. Azony folahana ho vongan-javatra aho na asandratra, azony atao izay rehetra fidiny. Angatahiny fotsiny aho hanana finoana feno tsy misy fepetra Aminy sy amin’ny fahatsarany. Avy amin’ny devoly ny fangorahan-tena, raha manaraka izany lalana izany aho dia tsy azon’Andriamanitra ampiasaina ho amin’ny fikasany eto amin’izao tontolo izao. Manana "tontolo iray ao anatin’ny tontolo" izay iainako aho, ary tsy ho azon’Andriamanitra avoaka avy ao mihitsy aho satria matahotra ny ho kaikerin’ny fanala.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana