Fisaintsainana isan’andro

FINOANA SY FANANDRAMANA

Ny Zanak’Andriamanitra, izay tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.

Galatiana 2:20

Tsy maintsy miady mamakivaky ny fiovaovan’ny fihetseham-pontsika isika mba ho tonga amin’ny fanoloran-tena tanteraka amin’ny Tompo Jesosy, mba hivoahana avy amin’ny tontolo tery sy miafin’ny fanandramantsika[1] ho amin’ny fanoloran-tena tsy mitahiry na inona na inona ho Azy. Eritrereto hoe Iza i Jesosy Kristy araka ny lazain’ny Testamenta Vaovao, ary avy eo eritrereto ny fahambanian’ny finoana mahantra ananantsika izay mendrika ho tsinontsinona — Tsy mbola nanana izao sy izao fanandramana izao aho! Eritrereto izay ambaran’ny finoana an’i Jesosy Kristy — fa afaka manolotra antsika tsy misy tsiny eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy, madio tsy hay ambara, nahitsy tanteraka ary nohamarinina lalina. Miorena amin’ny finoana feno fitsaohana sy tsy misy fepetra Azy, Izy no natao ho antsika "fahendrena, sy fahamarinana, sy fanamasinana, ary fanavotana." Ahoana no ahafahantsika miteny ny amin’ny fanaovana sorona ho an’ny Zanak’Andriamanitra! Avy amin’ny helo sy ny fahaverezana ny famonjena antsika, nefa avy eo isika miresaka fanaovana sorona!

Tsy maintsy mivoaka hatrany ho amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy isika; tsy Jesosy Kristy an’ny fivoriam-bavaka, na Jesosy Kristy anaty boky, fa ilay Jesosy Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao, Izay Andriamanitra tonga nofo, ary tokony hampianjera antsika tahaka ny maty eo an-tongony. Ny finoantsika dia tsy maintsy ao amin’Ilay ipoiran’ny fanandramantsika. Irin’i Jesosy Kristy ny fanoloran-tenantsika tanteraka sy tsy misy fepetra ho Azy. Tsy afaka mahafaoka amin’ny fanandramana an’i Jesosy Kristy mihitsy isika, na hitahiry Azy ao anatin’ny fetran’ny fontsika, fa ny finoantsika dia tsy maintsy aorina amin’ny fitokiana mafy sy hentitra Aminy.

Eo amin’io lalana io no ahitantsika ny tsy fandeferan’ny Fanahy Masina izay henjana amin’ny tsy finoana. Ratsy ny tahotsika rehetra, ary matahotra isika satria tsy mety mamelona ny tenantsika amin’ny finoantsika. Ahoana no ahafahan’ny olona iray izay tafaray amin’i Jesosy Kristy hijaly noho ny fisalasalana na ny tahotra! Tokony ho hira fiderana tanteraka avy amin’ny finoana tsy azo fehezina mihitsy, sady mandresy izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana