DRAFITRY NY FINOAN-KEVITRA
“Mino izany va ianao?”
Jaona 11:26
Nino ny hery teo am-pelatanan’i Jesosy Kristy i Marta, nino izy fa raha teo Izy dia ho afaka nanasitrana ny anadahiny; nino koa izy fa nanana fifandraisana akaiky manokana tamin’Andriamanitra i Jesosy ary na inona na inona nangatahiny tamin’Andriamanitra, dia hataon’Andriamanitra; nefa nila fifandraisana manokana akaiky kokoa tamin’i Jesosy izy. Ho tanteraka any amin’ny hoavy ny drafitry ny finoan-kevitr’i Marta; nentin’i Jesosy nandroso izy mandra-pahatongan’ny finoan-keviny ho fananana manokana, ary avy eo nipoitra tsikelikely ho lova voafaritra manokana — "Eny, Tompo ô, mino aho fa Ianao no Kristy. . . "
Misy zavatra tahaka izany ve ao amin’ny fitondran’ny Tompo anao? Mampianatra anao ho amin’ny fifandraisana manokana akaiky Aminy ve i Jesosy? Avelao Izy hampiditra lalina ao aminao ny fanontaniany — "Mino izany?" Inona ny fitsapana ny fisalasalanao? Efa tonga ve ianao, tahaka an’i Marta, amin’ny lalana iray manafotra ao amin’ny toe-javatrao izay efa hivoahan’ny drafitry ny finoan-kevitrao ho finoana manokana? Tsy ho tanteraka mihitsy izany mandra-pipoiran’ny filàna manokana avy amin’ny olana manokana.
Ny mino dia ny manolo-tena. Ao amin’ny drafitry ny finoan-kevitra ara-tsaina dia manolo-tena aho, ary mahafoy izay rehetra tsy mifandray amin’izany fanoloran-tena izany. Ao amin’ny finoana manokana dia manolo-tena ara-moraly amin’ity lalan’ny fitokiana ity aho ary mandà tsy hanaiky marimaritra iraisana amin’ny hafa; ary ao amin’ny finoana voafaritra manokana dia manolo-tena ara-panahy amin’i Jesosy Kristy aho, ary tapa-kevitra ny hamela ny Tompo irery hanjakazaka amiko amin’izany zavatra izany.
Rehefa mijoro mifanatrika amin’i Jesosy Kristy aho ka manao amiko Izy hoe — "Mino izany va ianao?" dia hitako fa voajanahary tahaka ny miaina ny finoana, ary talanjona aho fa donto saina loatra ka tsy natoky Azy taloha.