TSY AN’NY TENANAREO IANAREO
“Tsy fantatrareo va fa . . . tsy an’ny tenanareo ianareo?”
1Korintiana 6:19
Tsy misy izany fiainana manokana izany — "tontolo iray ao anatin’ny tontolo" — ho an’ny lehilahy na vehivavy izay nampidirina ao amin’ny fiombonana amin’ny fijalian’i Jesosy Kristy. Ravan’Andriamanitra ny fiainana manokan’ny olo-masiny, ary ataony lalana falehan’izao tontolo izao amin’ny lafiny iray sy ho Azy amin’ny lafiny iray hafa izany. Tsy misy olombelona mahazaka izany raha tsy ampiraisina amin’i Jesosy Kristy izy. Tsy ho an’ny tenantsika no anamasinana antsika, antsoina ho amin’ny fiombonana amin’ny Filazantsara isika, ary misy zavatra mitranga izay tsy misy ifandraisany amintsika, ampidirin’Andriamanitra ho amin’ny fiombonana Aminy isika. Avelao Izy hanao araka izay tiany, raha tsy izany no ataonao, dia tsy hoe hisy ilàna anao na dia kely aza amin’ny asa Fanavotany eo amin’izao tontolo izao, fa ho sakana sy enta-mavesatra ianao.
Ny zavatra voalohany ataon’Andriamanitra amintsika dia ny mampiorina antsika amin’ny Zava-misy henjana mandra-pahatonga antsika tsy hiraharaha izay manjo antsika manokana raha toa ka tanteraka ny sitrany ho amin’ny fikasan’ny Fanavotany. Nahoana isika no tsy tokony handalo ratram-po? Amin’ny alalan’ireo vavahady ireo no hanokafan’Andriamanitra lalan’ny fiombonana amin’ny Zanany. Ny ankamaroantsika dia lavo sy torana amin’ny fihazonan’ny fanaintainana voalohany; mipetraka eo amin’ny tokonan’ny fikasan’Andriamanitra isika ary maty tsikelikely noho ny fangorahan-tena, ary ny atao hoe fiombonam-pihetseham-po Kristiana rehetra dia hanampy antsika ho any amin’ny fandriana hahafatesantsika. Nefa tsy hanao izany Andriamanitra. Tonga miaraka amin’ny fihazonan’ny tanan’ny Zanany voatsindrona Izy, ary manao hoe — "Midira ao amin’ny fiombonana amiko; mitsangàna ka mamirapirata." Raha amin’ny alalan’ny fo torotoro no ahafahan’Andriamanitra manatanteraka ny fikasany eo amin’izao tontolo izao, dia misaora Azy noho ny namakiany ny fonao.