Fisaintsainana isan’andro

FAHAIZA-MANAVAKA MOMBA NY FINOANA

Finoana tahaka ny voan-tsinapy. . .

Matio 17:20

Manana ny hevitra isika fa mamaly soa antsika noho ny finoantsika Andriamanitra, mety ho izany amin’ny dingana voalohany; nefa tsy mahazo tambiny na inona na inona amin’ny finoana isika, mitondra antsika ho amin’ny fifandraisana mahitsy amin’Andriamanitra ny finoana ary manome an’Andriamanitra ny fahafahany. Matetika Andriamanitra no tsy maintsy mandondona hiala ny hazo fisaka ambany amin’ny zavatra iainanao raha olo-masina ianao mba hampifandray anao Aminy. Andriamanitra dia maniry anao hahatakatra fa fiainam-pinoana, fa tsy fiainana feno fahafinaretana ara-pihetseham-po amin’ny fitahiany izany. Tery sy nahery vaika ny fiainam-pinoanao tany am-piandohana, niorina manodidina teboka kely mamirapiratra tahaka ny masoandro teo amin’ny zavatra niainanao izay nahitana saina mahazatra nitovy habetsahana tamin’ny finoana, feno hazavana sy hamamiana; avy eo dia nesorin’Andriamanitra ny fitahiany tsapanao mba hampianatra anao handeha amin’ny finoana. Sarobidy lavitra Aminy ianao izao noho ianao tamin’ireo andron’ny fahafinaretana tsapanao sy ny fijoroana ho vavolombelona nampientam-po.

Araka ny toetrany mihitsy dia tsy maintsy sedraina ny finoana, ary ny tena fitsapana ny finoana dia tsy ny fahitantsika fa sarotra ny matoky an’Andriamanitra, fa ny toetran’Andriamanitra no tsy maintsy hamarinina ao an-tsaintsika manokana. Amin’ny fahatanterahany eo amin’ny tena zava-misy dia tsy maintsy mandalo fotoam-pitokana-monina tsy misy teny ny finoana. Aza afangaro mihitsy amin’ny fampiofanana mahazatra eo amin’ny fiainana ny fitsapana ny finoana, fa ny ankamaroan’izay antsointsika hoe fitsapana ny finoana dia vokatra tsy azo ialana amin’ny maha-velona. Ny finoana ao amin’ny Baiboly dia finoana an’Andriamanitra manoloana ny zavatra rehetra izay manohitra Azy — hitoetra mahatoky amin’ny toetran’Andriamanitra aho na inona na inona ataony. "Na dia vonoiny aza aho, dia mbola hatoky Azy ihany" — izany no teny manetriketrika indrindra momba ny finoana ao amin’ny Baiboly manontolo.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana