FINOANA
“Raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka Aminy.”
Hebreo 11:6
Ny finoana manohitra ny saina mahazatra dia hafanam-po tafahoatra, ary ny saina mahazatra manohitra ny finoana dia rasionaisma. Ny fiainam-pinoana no mampifandray azy roa araka ny tokony ho izy. Tsy finoana ny saina mahazatra, ary tsy saina mahazatra ny finoana; mifandray tahaka ny voajanahary sy ny ara-panahy izy ireo; tahaka ny tosika tampoka sy ny aingam-panahy. Tsy misy na inona na inona nolazain’i Jesosy Kristy araka ny saina mahazatra, fa araka ny sain’ny fanambarana izany, ary tonga hatrany amin’ny morontsiraka izay tsy ahombiazan’ny saina mahazatra. Tsy maintsy sedraina ny finoana alohan’ny hahatongavan’ny zava-misin’ny finoana ho tena misy. "Fantatsika fa miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra," ka na inona na inona mitranga, dia ovan’ny alkimian’ny fitondran’Andriamanitra[1] tarehy amim-boninahitra ho zava-misy tena misy ny finoana idealy. Miasa mandrakariva eo amin’ny sehatry ny tena manokana ny finoana, satria ny fikasan’Andriamanitra manontolo dia ny hahatonga ny finoana idealy ho tena zava-misy ao amin’ny zanany.
Ho an’ny antsipiriany rehetra amin’ny fiainana araka ny saina mahazatra, dia misy zava-misy ambaran’Andriamanitra izay ahafahantsika manaporofo amin’ny zavatra iainana azo tsapain-tanana izay inoantsika momba an’Andriamanitra. Fitsipika tena mavitrika ny finoana izay mametraka an’i Jesosy Kristy ho loha laharana mandrakariva — Tompo ô, nilaza izao sy izao Ianao (ohatra, Matio 6:33), toa hadalana izany, nefa hiroso amin’ny teninao aho. Ady mandrakariva ny mamadika ny finoana ao an-doha ho fananana manokana, fa tsy indraindray. Entin’Andriamanitra ao anatin’ny toe-javatra isika mba hanabe ny finoantsika, satria ny toetran’ny finoana dia ny mampanjary ny zavatra kendreny ho tena zava-misy. Mandra-pahafantarantsika an’i Jesosy, dia hevitra ara-tsaina fotsiny Andriamanitra, tsy afaka mino Azy isika; nefa raha vao mandre an’i Jesosy milaza isika hoe — "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray," dia manana zavatra tena izy isika, ary tsy manam-petra ny finoana. Ny finoana dia ny olona manontolo mifandray araka ny tokony ho izy amin’Andriamanitra amin’ny herin’ny Fanahin’i Jesosy Kristy.