FISOLOANA TOERANA
“Nataony ota ho antsika Izy . . . mba hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra. . .”
2Korintiana 5:21
Ny fomba fijery maoderina momba ny fahafatesan’i Jesosy dia ny nahafatesany ho an’ny fahotantsika noho ny fiombonam-pihetseham-po. Ny fomba fijerin’ny Testamenta Vaovao dia ny nitondrany ny otantsika tsy tamin’ny fiombonam-pihetseham-po, fa tamin’ny fampiraisana ny tenany aminy. Natao ota Izy. Esorina ny fahotantsika noho ny fahafatesan’i Jesosy, ary ny fanazavana ny fahafatesany dia ny fankatoavany ny Rainy, fa tsy ny fiombonam-pihetseham-pony amintsika. Eken’Andriamanitra isika tsy noho isika nankatò, na noho isika nampanantena ny hamoy zavatra, fa noho ny fahafatesan’i Kristy, ary tsy amin’ny fomba hafa. Milaza isika fa tonga i Jesosy Kristy hanambara ny maha-Ray an’Andriamanitra, ny hatsaram-panahin’Andriamanitra feno fitiavana; milaza ny Testamenta Vaovao fa tonga Izy hitondra hiala ny otan’izao tontolo izao. Ny fanambarana ny Rainy dia ho an’ireo izay nampahafantarana Azy ho Mpamonjy. Tsy niresaka momba ny Tenany tamin’izao tontolo izao mihitsy i Jesosy Kristy ho Ilay manambara ny Ray, fa ho vato mahatafintohina (jereo Jaona 15:22-24). Nolazaina tamin’ny mpianany ny Jaona 14:9.
Ny hoe maty ho ahy i Kristy, noho izany dia afaka madiodio aho, dia tsy ampianarina mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny ampianarina ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ny hoe "Maty ho an’ny rehetra Izy" (fa tsy hoe — maty ny fahafatesako Izy), ary amin’ny fampiraisana ny tenako amin’ny fahafatesany dia afaka ho afaka amin’ny ota aho, ary zaraina amiko ny tena fahamarinany. Misy lafiny roa ny fisoloana toerana ampianarina ao amin’ny Testamenta Vaovao: "Nataony ota ho antsika Izy, Izay tsy nahalala ota; mba hahatonga antsika ho fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy." Tsy Kristy ho ahy Izy raha tsy tapa-kevitra aho hamela an’i Kristy hiforona ao anatiko.