FANAMARINANA AMIN’NY FINOANA
“Fa raha, fony fahavalo isika, dia nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka fa, rehefa efa nampihavanina, dia hovonjena amin’ny fiainany isika.”
Romana 5:10
Tsy ny finoana no mamonjy ahy; amin’ny alalan’ny finoana no ahatsapako fa voavonjy aho. Tsy ny fibebahana no mamonjy ahy, fa famantarana ny fahatsapako izay nataon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ny fibebahana. Ny loza dia ny fanasongadinana ny vokatra fa tsy ny antony. Ny fankatoavako no mampahitsy ahy eo anatrehan’Andriamanitra, ny fanokanako ho an’Andriamanitra. Tsia mihitsy! Mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra aho satria talohan’ny zavatra rehetra, dia maty i Kristy. Rehefa mitodika amin’Andriamanitra aho ka manaiky amin’ny finoan-kevitra izay ambarany fa azoko ekena, dia manosika ahy avy hatrany ho amin’ny fifandraisana mahitsy amin’Andriamanitra ny Asa Fampihavanan’i Jesosy Kristy goavana; ary amin’ny fahagagana mihoatra ny voajanaharin’ny fahasoavan’Andriamanitra dia mijoro voamarina aho, tsy noho ny alaheloko amin’ny otako, tsy noho ny nibebahako, fa noho izay nataon’i Jesosy. Entin’ny Fanahin’Andriamanitra miaraka amin’ny hazavana mamaky, sady mandrakotra ny zavatra rehetra izany, ary fantatro, na dia tsy fantatro aza ny fomba, fa voavonjy aho.
Tsy miorina amin’ny lojikan’olombelona ny famonjen’Andriamanitra, fa miorina amin’ny Fahafatesan’i Jesosy natao fanatitra. Afaka ateraka indray isika noho ny Asa Fampihavanan’ny Tompontsika. Azo ovana ho olom-baovao ny lehilahy sy vehivavy mpanota, tsy noho ny fibebahany na ny finoan-keviny, fa noho ny asa mahatalanjon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy izay mialoha ny zavatra iainana rehetra. Andriamanitra mihitsy no fiarovana tsy mety resy ananan’ny fanamarinana sy ny fanamasinana. Tsy isika no tsy maintsy manatanteraka ireo zavatra ireo; efa notanterahin’ny Asa Fampihavanana izany. Tonga voajanahary amin’ny alalan’ny fahagagan’Andriamanitra ny mihoatra ny voajanahary; eo no misy ny fahatsapana izay efa nataon’i Jesosy Kristy — "Vita."