Fisaintsainana isan’andro

FAHEFANA SY FAHALEOVAN-TENA

Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.

Jaona 14:15 (R.V.)

Tsy manizingizina ny fankatoavana mihitsy ny Tompontsika; lazainy amintsika amin’ny fomba hentitra izay tokony hataontsika, nefa tsy mampiasa fomba hanerena antsika hanao izany mihitsy Izy. Tsy maintsy mankatò Azy avy amin’ny firaisan’ny fanahy isika. Izany no antony isaky ny niresahan’ny Tompontsika momba ny maha-mpianatra, dia nanombohany izany tamin’ny RAHA — tsy voatery hanao izany ianao raha tsy tianao. "Raha misy olona te ho mpianatro, aoka izy handà ny tenany," aoka izy hamoy ho Ahy ny zony amin’ny tenany. Tsy miresaka momba ny toerana mandrakizay ny Tompontsika, fa momba ny maha-sarobidy ho Azy ao anatin’ity lamin-javatra ity, izany no antony mahatonga ny feony ho hentitra (jereo Lioka 14:26). Aza mandika ireo teny ireo sarahina amin’Ilay nanonona azy.

Tsy manome fitsipika ahy ny Tompo, fa asehony mazava tsara ny feniny, ary raha fitiavana no fifandraisako Aminy, dia hanao izay lazainy tsy misy fisalasalana aho. Raha misalasala aho, dia satria tia olon-kafa mifaninana Aminy aho, izany hoe, ny tenako. Tsy hanampy ahy hankatò Azy i Jesosy Kristy, tsy maintsy mankatò Azy aho; ary rehefa mankatò Azy aho, dia manatanteraka ny anjara ara-panahiko. Mety ho feno tranga bitika sy madinika ny fiainako manokana, tsy voamarika mihitsy sy ambany; nefa raha mankatò an’i Jesosy Kristy ao anatin’ny toe-javatra kisendrasendra aho, dia tonga lavaka kely ahitako ny tavan’Andriamanitra ireo, ary rehefa mijoro mifanatrika amin’Andriamanitra aho dia ho hitako fa olona an’arivony no notahina tamin’ny alalan’ny fankatoavako. Rehefa tonga eo amin’ny fankatoavana ao amin’ny fanahin’olombelona ny Fanavotan’Andriamanitra, dia mamorona mandrakariva izany. Raha mankatò an’i Jesosy Kristy aho, dia hirohotra amin’ny alalako ho any amin’ny fiainan’ny hafa ny Fanavotan’Andriamanitra, satria ao ambadiky ny asa fankatoavana ny Zava-misin’Andriamanitra Tsitoha.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana