Fisaintsainana isan’andro

NY FANERENA TSY MIFARAN’IREO ZAVATRA

Efa tonga zavatra rehetra ho an’ny olona rehetra aho, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra.

1Korintiana 9:22

Ny mpiasa Kristiana dia tsy maintsy mianatra ny ho lehilahy na vehivavy mendrik’Andriamanitra eo anivon’ny zavatra tsy mendrika maro. Aza manao izao fialan-tsiny izao mihitsy — Raha mba tany an-toeran-kafa aho! Olona tsotra avokoa ny olon’Andriamanitra rehetra izay nataon’ilay votoaty nomeny azy ho miavaka. Raha tsy manana ny votoaty marina ao an-tsaintsika ara-tsaina sy ao am-pontsika amim-piraiketam-po isika, dia ho voatosika hiala amin’ny fahazoana ampiasain’Andriamanitra. Tsy safidy no maha-mpiasa ho an’Andriamanitra antsika. Olona maro no minia mifidy ho mpiasa, nefa tsy manana votoaty avy amin’ny fahasoavan’Andriamanitra tsitoha ao anatiny, tsy manana votoaty avy amin’ny teniny mahery. Ny fo sy ny saina ary ny fanahin’i Paoly manontolo dia variana tamin’ilay votoaty lehibe momba izay tonga hataon’i Jesosy Kristy, tsy nanadino io zavatra tokana io mihitsy izy. Tsy maintsy ampifanatrehintsika amin’ilay zava-misy iray ivon’ny zavatra rehetra ny tenantsika — i Jesosy Kristy sy Izy nohomboana tamin’ny hazofijaliana.

"Izaho no nifidy anareo." Tazomy ao amin’ny fanekem-pinoanao izany feon’ny fahalehibeazana izany. Tsy hoe nahazo an’Andriamanitra ianao fa Izy no nahazo anao. Eto, ato amin’ity Kolejy ity, dia miasa Andriamanitra, manondrika, mamaky, mamolavola, manao araka izay sitrany. Ny antony anaovany izany, dia tsy fantatsika; tanjona iray ihany no anaovany izany — mba hahafahany milaza hoe, Ity no lehilahiko, vehivaviko. Tsy maintsy eo an-tanan’Andriamanitra isika mba hahafahany mamboly olona eo amin’ny Vatolampy tahaka ny namboleny antsika.

Aza misafidy mihitsy ho mpiasa, nefa rehefa mametraka ny antsony aminao Andriamanitra, lozanao raha mivily miankavanana na miankavia ianao. Hataony aminao izay tsy nataony taminao mihitsy talohan’ny nahatongavan’ilay antso; hataony aminao izay tsy ataony amin’ny olon-kafa. Avelao Izy hanao araka izay tiany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana