NY FOMBA FIJERY
“Ary isaorana anie Andriamanitra, Izay mampandresy antsika mandrakariva ao amin’i Kristy.”
2Korintiana 2:14
Ny fomba fijerin’ny mpiasa ho an’Andriamanitra dia tsy tokony ho akaiky araka izay azony atao amin’ny avo indrindra, fa tsy maintsy ny avo indrindra mihitsy. Mitandrema hihazona mafy ny fomba fijerin’Andriamanitra, tsy maintsy atao isan’andro izany, tsikelikely; aza mametra ny fisainana amin’ny zavatra voafetra. Tsy misy hery avy etỳ ivelany afaka mikasika ilay fomba fijery.
Ny fomba fijery tokony hotazonina dia ny hoe noho ny fikasana tokana ihany no maha-eto antsika, izany hoe, ho babo ao amin’ny filaharan’ny fandresen’i Kristy. Tsy ao amin’ny efitra fampirantian’Andriamanitra isika, fa eto mba hampiseho zavatra iray — ny fahababoana tanteraka amin’i Jesosy Kristy ny fiainantsika. Kely toy inona ireo fomba fijery hafa — mijoro irery aho miady ho an’i Jesosy; tsy maintsy mitana ny raharahan’i Kristy aho sy miaro ity toby mimanda ity ho Azy. Hoy i Paoly — ao amin’ny filaharan’ny mpandresy aho, ary tsy mampaninona izay zava-tsarotra, tarihina amim-pandresena mandrakariva aho. Tanterahina amin’ny fomba azo tsapain-tanana ato anatintsika ve izany hevitra izany? Ny hafaliana miafin’i Paoly dia ny nandraisan’Andriamanitra azy, mpikomy tratra ambodiomby nanohitra an’i Jesosy Kristy, sy nanaovany azy ho babo, ary izany irery izao no maha-eto azy. Ny hafalian’i Paoly dia ny ho babon’ny Tompo, tsy nisy zavatra hafa nahaliana azy tany an-danitra na etỳ an-tany. Zavatra mahamenatra ho an’ny Kristiana ny miresaka momba ny fahazoana fandresena. Tokony ho efa nahazo antsika tanteraka Ilay Mpandresy ka ny fandreseny mandrakariva izany, ary mihoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalany.
"Fa hanitra mamerovero an’i Kristy ho an’Andriamanitra isika." Voahodidin’ny hanitr’i Jesosy toy ny ao anaty kodiarana isika, ary na aiza na aiza alehantsika dia famelombelomana mahatalanjona ho an’Andriamanitra isika.