MOA VE NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA NO SITRAPOKO?
“Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny fanamasinana anareo.”
1Tesaloniana 4:3
Tsy ny hoe manaiky an-tsitrapo hanamasina ahy Andriamanitra na tsia no fanontaniana; moa ve sitrapoko izany? Manaiky an-tsitrapo ve aho hamela an’Andriamanitra hanao ato anatiko izay rehetra efa nataon’ny Asa Fampihavanana ho azo atao? Manaiky an-tsitrapo ve aho hamela an’i Jesosy ho tonga fanamasinana ho ahy, sy hamela ny fiainan’i Jesosy hiseho ao amin’ny nofoko mety maty? Mitandrema sao manao hoe — Oay, maniry mafy ny hohamasinina aho. Tsy maniry izany ianao, atsaharo ny faniriana ary ataovy fifampiraharahana izany — "Tsy misy zavatra entiko eo an-tanako." Raiso amin’ny finoana feno tsy misy fepetra i Jesosy Kristy mba ho tonga fanamasinana ho anao, ary hampanjarina ho tena zava-misy ao anatinao ny fahagagana lehiben’ny Asa Fampihavanan’i Jesosy. Ny zavatra rehetra nataon’i Jesosy ho azo atao dia tonga ahy noho ny fanomezam-pitiavana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra eo amin’ny fototry ny zavatra notanterahiny, ny toe-tsaiko amin’ny maha-fanahy voavonjy sy nohamasinina ahy dia ny fahamasinana lalina feno fanetren-tena (tsy misy izany fahamasinana feno avonavona izany), fahamasinana miorina amin’ny fibebahana anatin’ny fijaliana mafy sy ny fahatsapana henatra sy fahafaham-baraka tsy hay lazaina; ary koa amin’ny fahatsapana mahatalanjona fa fony tsy niraharaha Azy mihitsy aho, dia naneho ny fitiavany tamiko Andriamanitra tamin’ny nahatanterahany ny zava-drehetra ho amin’ny famonjena sy ny fanamasinana ahy (jereo Romana 5:8. R.V.). Tsy mahagaga raha milaza i Paoly fa tsy misy "afaka mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika."
Mampiray ahy amin’i Jesosy Kristy ny fanamasinana, ary ao Aminy dia mampiray ahy amin’Andriamanitra, ary amin’ny alalan’ny Asa Fampihavanan’i Kristy mahatalanjona ihany no anaovana izany. Aza atao antony mihitsy ny vokatra. Ny vokatra ato anatiko dia fankatoavana sy fanompoana ary vavaka, ary vokatr’ilay fisaorana sy fiankohofana tsy hay lazaina noho ny fanamasinana mahatalanjona tanterahina ato anatiko noho ny Asa Fampihavanana izany.