Fisaintsainana isan’andro

FITARIHANA AMIN’NY TOSIKA TAMPOKA

Mampiorina ny tenanareo eo ambonin’ny finoanareo masina indrindra.

Joda 20

Tsy nisy na toetra natosiky ny fihetsehana tampoka na toetra nangatsiaka tsy misy fihetseham-po tao amin’ny Tompontsika, fa hery tony izay tsy nikoropaka mihitsy. Ny ankamaroantsika dia mampivelatra ny maha-Kristiana antsika araka ny toe-pontsika voajanahary, fa tsy araka an’Andriamanitra. Toetra iray ao amin’ny fiainana voajanahary ny tosika tampoka, nefa tsy raharahain’ny Tompontsika mandrakariva izany, satria manakana ny fivelaran’ny fiainan’ny mpianatra. Jereo ny fisakanan’ny Fanahin’Andriamanitra ny tosika tampoka, ny sakana avy Aminy dia mitondra firohotan’ny hadalana mifantoka amin’ny tena izay mahatonga antsika haniry avy hatrany hanamarina ny tenantsika. Mety amin’ny zaza ny tosika tampoka, nefa mampidi-doza amin’ny lehilahy na vehivavy izany; olona kolokoloina mandrakariva ny olona entin’ny tosika tampoka. Tsy maintsy volavolaina ho tonga fahatsapana anaty amin’ny alalan’ny fampiofanana ny tosika tampoka.

Miorina tanteraka amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mihoatra ny voajanahary ny maha-mpianatra. Mora ho an’ny fahasahiana tampoka ny mandeha ambonin’ny rano, fa zavatra hafa ny mandeha amin’ny tany maina amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Kristy. Nandeha ambonin’ny rano hankany amin’i Jesosy i Petera, nefa nanaraka Azy avy lavitra teo amin’ny tany. Tsy mila ny fahasoavan’Andriamanitra isika mba hijoro amin’ny fotoan-tsarotra, ampy ny toetra voajanaharin’olombelona sy ny avonavona, afaka miatrika amim-boninahitra ny fanerena isika; nefa tena ilaina ny fahasoavan’Andriamanitra mihoatra ny voajanahary mba hiaina efatra amby roapolo ora isan’andro amin’ny maha-olo-masina, hamakivaky asa mandreraka sy mankaleo amin’ny maha-mpianatra, hiaina fiainana tsotra, tsy voamarika, tsy noraharahiana amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy. Efa raiki-tampisaka ao anatintsika ny hoe tsy maintsy manao zavatra miavaka ho an’Andriamanitra isika; nefa tsy izany no tsy maintsy ataontsika. Tsy maintsy miavaka ao amin’ny zavatra andavanandro isika, ho masina eny amin’ny arabe mahantra, eo anivon’ny olona mahantra, ary tsy ianarana ao anatin’ny dimy minitra izany.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana