ILAY ZAVA-MIAFINA TSY NORAHARAHIANA
“Tsy avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako.”
Jaona 18:36
Ny fahavalo lehiben’i Jesosy Kristy Tompo ankehitriny dia ny fiheverana momba ny asa azo tsapain-tanana izay tsy avy amin’ny Testamenta Vaovao, fa avy amin’ireo Rafitr’izao tontolo izao izay manantitrantitra ny hery sy asa tsy manam-pahataperana, nefa tsy misy fiainana manokana miaraka amin’Andriamanitra. Ny zavatra tsy izy no asongadina. Hoy Jesosy, "Tsy tonga amin’ny fisehoana hita maso ny fanjakan’Andriamanitra, fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra," zavatra miafina, sady tsy mazava izany. Matetika loatra ny mpiasa Kristiana mavitrika no miaina ao amin’ny varavarankelin’ny fivarotana. Ny ao anaty indrindra amin’ny ao anaty indrindra no maneho ny herin’ny fiainana.
Tsy maintsy esorintsika ny areti-mandringan’ny toe-panahin’ny vanim-potoana ara-pivavahana izay iainantsika. Teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika dia tsy nisy ny fanerena sy ny fihazakazahan’ny asa goavana izay heverintsika ho ambony tokoa, ary tokony hitovy amin’ny Tompony ny mpianatra. Ny zava-dehibe ivon’ny fanjakan’i Jesosy Kristy dia ny fifandraisana manokana Aminy, fa tsy ny fahasoa ampahibemaso ho an’ny olona.
Tsy ny asany azo tsapain-tanana no herin’ity Kolejy Fampiofanana ara-Baiboly ity, fa ny heriny manontolo dia ao amin’ny fametrahana anao ho vonton’ny fanatrehan’Andriamanitra eto. Tsy fantatrao izay handaminan’Andriamanitra sy hampahatongavany amim-pikendrena ny toe-javatrao, tsy fantatrao izay tsindry hapetraka aminao na ao an-trano na any ivelany, ary raha mandany ny fotoananao amin’ny hery mavitrika tafahoatra ianao fa tsy mamela ny tenanao ho vonton’ireo fahamarinana fototra lehibe momba ny Fanavotan’Andriamanitra, dia ho tapaka ianao rehefa tonga ny tsindry; nefa raha ity fotoam-pitoerana vonton’ny fanatrehan’Andriamanitra ity no laninao hamaka sy hiorina ao amin’Andriamanitra amin’ny lalana tsy azo tsapain-tanana, dia hitoetra ho mahatoky Aminy ianao na inona na inona mitranga.