Fisaintsainana isan’andro

NY FANALAHIDIN’NY FANOLORAN-TENAN’NY MISIONERA

Fa noho ny Anarany no nivoahany.

3Jaona 7

Efa nolazain’ny Tompontsika amintsika ny fomba tokony hisehoan’ny fitiavana Azy. "Tia Ahy va ianao?" "Fahano ny ondriko" — ampiraiso amin’ny zavatra mahaliana Ahy ao amin’ny olona hafa ny tenanao, fa tsy hoe, ampiraiso Aho amin’izay mahaliana anao ao amin’ny olona hafa. Ny 1Korintiana 13:4-8 dia manome ny toetran’io fitiavana io, dia ny fitiavana avy amin’Andriamanitra izay maneho ny tenany. Ny fitsapana ny fitiavako an’i Jesosy dia ilay azo tsapain-tanana, kabary fihetseham-po fotsiny ny sisa rehetra.

Ny fahatokiana an’i Jesosy Kristy dia asan’ny Fanavotana mihoatra ny voajanahary tanterahin’ny Fanahy Masina ato anatiko Izay mandraraka ny fitiavan’Andriamanitra ao am-poko, ary miasa amin’ny fomba mahavokatra amin’ny alalako izany fitiavana izany rehefa mifandray amin’ny olona rehetra sendra ahy aho. Mitoetra mahatoky amin’ny Anarany aho na dia milaza aza ny zava-misy rehetra araka ny saina mahazatra fa tsy marina Izy, ary manambara fa tsy manana hery mihoatra noho ny zavona maraina Izy.

Ny fanalahidin’ny fanoloran-tenan’ny misionera dia ny tsy fifikirana amin-javatra na amin’olona afa-tsy ny Tompontsika ihany[1], fa tsy ny fisarahana amin’ny zavatra etỳ ivelany. Niaina tamin’ny fomba mahatalanjona teo anivon’ny zavatra andavanandro sy niala tao ny Tompontsika; tao anatiny ho amin’Andriamanitra no nisy ny fisarahany. Ny fisarahana etỳ ivelany matetika dia famantarana ny fifikirana miafina sy tena velona amin’ireo zavatra izay halavirintsika etỳ ivelany.

Ny fahatokian’ny misionera dia ny mihazona ny fanahiny hifantoka sy hisokatra amin’ny toetra voajanaharin’i Jesosy Kristy Tompo. Ireo lehilahy sy vehivavy irahin’ny Tompontsika amin’ny tetikasany dia olona tsotra, miampy fanoloran-tena Aminy izay manjakazaka ao anatiny sy tanterahin’ny Fanahy Masina.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana