ASA LEHIBE KOKOA
“Ary hanao asa lehibe noho ireo aza izy; satria Izaho mankany amin’ny Raiko.”
Jaona 14:12
Tsy manomana antsika ho amin’ny asa lehibe kokoa ny vavaka; ny vavaka mihitsy no asa lehibe kokoa. Heverintsika ho fampiasana ny hery ambony ananantsika araka ny saina mahazatra ny vavaka mba hanomanana antsika ho amin’ny asan’Andriamanitra. Ao amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy ny vavaka dia fiasan’ny fahagagan’ny Fanavotana ato anatiko izay mamokatra ny fahagagan’ny Fanavotana ao amin’ny hafa amin’ny herin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny vavaka no itoeran’ny vokatra, nefa tsarovy fa vavaka miorina amin’ny fijaliana mafin’ny Fanavotana izany, fa tsy amin’ny fijaliako mafy. Ny zaza ihany no mahazo valim-bavaka; ny olon-kendry tsy mahazo.
Ny vavaka no ady; tsy mampaninona izay misy anao. Na ahoana na ahoana no andaminan’Andriamanitra sy ampahatongavany amim-pikendrena ny toe-javatra, ny adidy dia ny mivavaka. Aza avela mihitsy ny hevitra hoe — "Tsy misy ilàna ahy eto amin’izay misy ahy;" satria azo antoka fa tsy misy ilàna anao any amin’izay tsy misy anao. Na aiza na aiza nanipazan’Andriamanitra anao ao anatin’ny toe-javatra dia mivavaha, alefaso any Aminy mandrakariva ny antsom-bavaka fohy[1]. "Na inona na inona angatahinareo amin’ny Anarako, dia hataoko izany." Tsy hivavaka isika raha tsy mahazo fientanentanana, izany no endrika faran’izay mafy indrindra amin’ny fitiavan-tena ara-panahy. Tsy maintsy mikely aina manaraka ny fitarihan’Andriamanitra isika, ary hoy Izy hoe mivavaha. "Koa mangataha ianareo amin’ny Tompon’ny vokatra, mba hanirahany mpiasa mikely aina ho any amin’ny vokany."
Tsy misy zavatra mampientam-po amin’ny asan’ny mpiasa mikely aina, nefa ny mpiasa mikely aina no mahatonga ireo eritreritry ny manam-pahaizana ho azo tanterahina; ary ny olo-masina mikely aina no mahatonga ireo eritreritry ny Tompony ho azo tanterahina. Mikely aina amin’ny vavaka ianao ary mitranga mandrakariva ny vokatra araka ny fomba fijeriny. Hahagaga toy inona ny hahita, rehefa esorina ny efitra lamba, ireo fanahy izay nojinjainao, satria fotsiny hoe zatra nandray ny baikonao tamin’i Jesosy Kristy ianao.