Fisaintsainana isan’andro

NY FANALAHIDIN’NY BAIKON’NY TOMPO

Koa mangataha ianareo amin’ny Tompon’ny vokatra, mba hanirahany mpiasa mikely aina ho any amin’ny vokany.

Matio 9:38

Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanalahidin’ny olan’ny misionera, ary vavaka izany fanalahidy izany fa tsy asa, izany hoe, tsy asa araka ny fahazoan’ny besinimaro ilay teny ankehitriny satria mety ho fandosirana ny fifantohana amin’Andriamanitra izany. Ny fanalahidin’ny olan’ny misionera dia tsy ny fanalahidin’ny saina mahazatra, na ny fanalahidin’ny fitsaboana, na ny fanalahidin’ny sivilizasiona na ny fanabeazana na dia ny fitoriana ny filazantsara aza. Ny vavaka no fanalahidy. "Koa mangataha ianareo amin’ny Tompon’ny vokatra." Raha ny fomba fijery voajanahary, tsy zavatra azo tsapain-tanana ny vavaka, tsy mitombina izany; tsy maintsy tsapantsika fa adala ny vavaka raha jerena avy amin’ny fomba fijerin’ny saina mahazatra.

Tsy misy firenena eo amin’ny fomba fijerin’i Jesosy Kristy, fa izao tontolo izao. Firy amintsika no mivavaka tsy misy fizahan-tavan’olona, ary tsy mijery afa-tsy Olona iray, dia i Jesosy Kristy? Azy ny vokatra ateraky ny fahoriana sy ny fandresen-dahatra ny amin’ny fahotana, ary io no vokatra tokony hivavahantsika mba hisy mpiasa mikely aina hatosika hivoaka hijinja azy. Variana amin’ny asa mavitrika isika nefa masaka hojinjaina ny olona rehetra manodidina, ary tsy mijinja na dia iray aza isika, fa mandany ny fotoanan’ny Tompontsika amin’ny asa atao amin-kery tafahoatra. Aoka hatao hoe tonga ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainan’ny rainao, eo amin’ny fiainan’ny rahalahinao, eo ve ianao amin’ny maha-mpiasa mikely aina mba hijinja ny vokatra ho an’i Jesosy Kristy? "Oay, nefa manana asa manokana hatao aho!" Tsy misy Kristiana manana asa manokana hatao. Antsoina ho fananan’i Jesosy Kristy ny Kristiana, olona tsy ambonin’ny Tompony, olona tsy mandidy an’i Jesosy Kristy izay kasainy hatao. Tsy miantso ho amin’ny asa manokana ny Tompontsika: miantso ho Aminy Izy. "Koa mangataha ianareo amin’ny Tompon’ny vokatra," ary handamina sy hahatonga amim-pikendrena ny toe-javatra Izy ka hanosika anao hivoaka.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana