Fisaintsainana isan’andro

NY FANALAHIDIN’NY HAFATRA MISIONERA

Ary Izy no sorom-panavotana noho ny fahotantsika: ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny fahotan’izao tontolo izao koa.

1Jaona 2:2

Ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy no fanalahidin’ny hafatra misionera. Raiso izay lafin’ny asan’i Kristy tianao — ny lafiny fanasitranana, ny lafiny famonjena sy fanamasinana; tsy misy zavatra tsy manam-petra amin’ireo. "Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! " — izany no tsy manam-petra. Ny hafatra misionera dia ny hevitra tsy manam-petran’i Jesosy Kristy amin’ny maha-sorom-panavotana noho ny fahotantsika Azy, ary ny misionera dia olona vonton’izany fanambarana izany.

Ny lafin’ny fiainan’i Kristy momba ny famotsorana ny trosan’ny fahotana no fanalahidin’ny hafatra misionera, fa tsy ny hatsaram-panahiny sy ny fahatsarany, ary ny fanambarany ny maha-Ray an’Andriamanitra; ny hevitra lehibe tsy manam-petra dia ny maha-sorom-panavotana noho ny fahotantsika Azy. Tsy tia tanindrazana ny hafatra misionera, tsy miankina amin’ny firenena sy ny olona tsirairay izany, ho an’izao tontolo izao manontolo izany. Rehefa miditra ny Fanahy Masina dia tsy mandinika izay fironako manokana Izy, fa mampiray ahy amin’i Jesosy Tompo.

Ny misionera dia olona voafatotra toy ny vady amin’ny satan’ny Tompony sy Mpampianatra azy, tsy ny fomba fijeriny manokana no tokony hotoriny, fa ny Zanak’ondrin’Andriamanitra. Mora kokoa ny miditra amin’ny vondrona kely izay mitantara izay nataon’i Jesosy Kristy ho ahy, mora kokoa ny ho tonga mpivavaka mafana fo amin’ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra, na amin’ny karazana fanamasinana manokana, na amin’ny batisan’ny Fanahy Masina. Tsy nilaza i Paoly hoe — "Lozako, raha tsy mitory izay nataon’i Kristy ho ahy aho," fa hoy izy — "Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho." Izao no Filazantsara — "Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!"

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana