Fisaintsainana isan’andro

NY FANALAHIDY HO AN’NY MISIONERA

Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Koa mandehana ianareo, ampianaro ny firenena rehetra.

Matio 28:18-20

Ny fahefan’i Jesosy Kristy no fototry ny antso misionera, fa tsy ny filàn’ny jentilisa. Mora amintsika ny mihevitra ny Tompontsika ho Ilay manampy antsika amin’ireo tetikasantsika ho an’Andriamanitra. Mametraka ny Tenany ho Tompo feno fiandrianana tanteraka sy ambony indrindra amin’ny mpianany ny Tompontsika. Tsy milaza Izy fa ho very ny jentilisa raha tsy mandeha isika; izao tsotra izao no lazainy — "Koa mandehana ianareo ka ampianaro ny firenena rehetra." Mandehana miorina amin’ny fanambarana ny fiandrianako; mampianara sy mitoria avy amin’ny zavatra iainana velona momba Ahy.

"Dia nankany . . . amin’ny tendrombohitra izay nanendren’i Jesosy azy ireo." andininy faha-16. Raha te hahalala ny fiandrianan’i Kristy manerana izao rehetra izao aho, dia tsy maintsy mahafantatra Azy ho an’ny tenako, sy mahalala ny fomba hitokana miaraka Aminy; tsy maintsy maka fotoana hiankohofana amin’Ilay Maha-Izy izay entiko ny Anarany aho. "Mankanesa atỳ Amiko" — eo no toerana hihaonana amin’i Jesosy. Reraka sy mavesatra entana ve ianao? Maro tokoa ny misionera toy izany! Roahintsika ho eo amin’ny tokonan’ny fivoriana fanampiny[1] ireo teny mahatalanjon’ilay Mpanjaka maneran-tany; tenin’i Jesosy ho an’ny mpianany ireo.

"Koa mandehana ianareo. . . ." Ny hoe mandehana dia midika tsotra izao hoe miaina. Ny Asan’ny Apostoly 1:8 no famaritana ny fomba handehanana. Tsy nilaza i Jesosy hoe — Mandehana any Jerosalema sy Jodia ary Samaria, fa hoy Izy, "Ho vavolombeloko ianareo" any amin’ireo toerana rehetra ireo. Izy no mandray an-tanana ny fametrahana ireo fandehanana.

"Raha mitoetra ato Amiko ianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny teniko. . . " — izany no fomba hanohizana ny fandehanana eo amin’ny fiainantsika manokana. Tsy mampaninona izay toerana ametrahana antsika; Andriamanitra no mandamina sy mahatonga amim-pikendrena ny fandehanana.

"Tsy misy mampihetsika ahy amin’ireo zavatra ireo, sady tsy ataoko ho sarobidy amiko ny aiko . . ." Izany no fomba hanohizana hatrany mandra-pahalasanantsika.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana