Fisaintsainana isan’andro

FAHAKIVIAN’NY MAHA-IZY AZY MANOKANA SY FITARAN’NY MAHA-OLONA

Nivoaka ho any amin’ireo rahalahiny i Mosesy, ka nijery ny enta-mavesatr’izy ireo.

Eksodosy 2:11

Hitan’i Mosesy ny fampahoriana ny vahoakany ary azony antoka fa izy no hanafaka azy ireo, ka noho ny hatezerana ara-drariny tao amin’ny fanahiny manokana dia nanomboka nanitsy ny tsy rariny natao tamin’izy ireo izy. Taorian’ny famelezana voalohany ho an’Andriamanitra sy ho an’ny marina, dia navelan’Andriamanitra horoahina ho amin’ny fahakiviana banga tanteraka i Mosesy, nalefany tany an’efitra hiandry ondry mandritra ny efapolo taona izy. Tamin’ny faran’izany fotoana izany, dia niseho Andriamanitra ka nilaza tamin’i Mosesy handeha sy hamoaka ny vahoakany, ary hoy i Mosesy — "Iza moa aho, no handehanako?" Tany am-piandohana dia tsapan’i Mosesy fa izy no olona hanafaka ny vahoaka, nefa tsy maintsy nozarina sy nampiofanin’Andriamanitra aloha izy. Marina ny momba azy teo amin’ny lafiny maha-izy azy manokana, nefa tsy izy no olona ho amin’ilay asa mandra-pianarany ny fiombonana amin’Andriamanitra.

Mety manana fahitana avy amin’Andriamanitra sy fahatakarana mazava tsara izay irin’Andriamanitra isika, ka manomboka manao ilay zavatra, avy eo dia tonga ny zavatra mitovy amin’ireo efapolo taona tany an’efitra, toy ny hoe tsy niraharaha ny zavatra manontolo Andriamanitra, ary rehefa kivy tanteraka isika dia miverina Andriamanitra ka mamelona indray ilay antso, dia mangovitra ny feontsika ka manao hoe — "Hay, iza moa aho?" Tsy maintsy mianatra ny dingana lehibe voalohan’Andriamanitra isika — "IZAHO IZAY IZY no naniraka anao." Tsy maintsy mianatra isika fa fahasahisahiana tsy mendrika ny ezaka ataontsika amin’ny maha-izy antsika manokana ho an’Andriamanitra; tsy maintsy ampirehetin’ny fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny maha-izy antsika manokana (jereo Matio 3:17). Mifantoka amin’ny lafiny maha-izy azy manokana amin’ny zavatra isika; manana ilay fahitana isika — "Izao no tian’Andriamanitra hataoko;" nefa tsy mbola mifanaraka amin’ny dian’Andriamanitra isika. Raha mandalo fotoam-pahakiviana ianao, dia misy fitarana lehibe eo amin’ny maha-olona miandry anao.

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana