MIFANARAKA AMIN’NY DIAN’ANDRIAMANITRA
“Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka.”
Genesisy 5:24
Ny fitsapana ny fiainam-pivavahana sy ny toetran’ny olona iray dia tsy izay ataony amin’ny fotoana miavaka eo amin’ny fiainana, fa izay ataony amin’ny fotoana andavanandro, rehefa tsy misy zavatra goavana na mampientam-po mitranga. Miseho amin’ny fihetsiny manoloana ny zavatra andavanandro ny hasarobidin’ny olona iray rehefa tsy eo anoloan’ny jiron’ny sehatra izy (jereo Jaona 1:36). Zavatra maharary ny mamakivaky ho amin’ny fifanarahana amin’ny dian’Andriamanitra, midika izany fa mahazo fofonaina faharoa ara-panahy. Eo amin’ny fianarana miara-mandeha amin’Andriamanitra dia misy mandrakariva ny fahasarotana amin’ny fampifanarahana amin’ny diany; nefa rehefa efa mifanaraka amin’izany isika, ny hany toetra miseho dia ny fiainan’Andriamanitra. Tsy hita intsony ilay olona amin’ny maha-izy azy manokana ao amin’ny firaisany manokana amin’Andriamanitra, ary ny dian’Andriamanitra sy ny heriny ihany no miseho.
Sarotra ny mampifanaraka ny diantsika amin’ny an’Andriamanitra, satria rehefa manomboka miara-mandeha Aminy isika dia hitantsika fa efa nandao antsika lavitra Izy talohan’ny nanaovantsika dingana telo. Samy hafa ny fomba anaovany zavatra, ary tsy maintsy zarina sy ampiofanina hanaraka ny fombany isika. Izao no voalaza momba an’i Jesosy — "Tsy ho reraka na ho kivy Izy," satria tsy niasa avy amin’ny fomba fijeriny manokana mihitsy Izy fa avy amin’ny fomba fijerin’ny Rainy mandrakariva, ary tsy maintsy mianatra manao toy izany isika. Ny fahamarinana ara-panahy dia ianarana amin’ny rivo-piainana, fa tsy amin’ny fanjohian-kevitra ara-tsaina. Ovan’ny Fanahin’Andriamanitra ny rivo-piainan’ny fomba fijerintsika ny zavatra, ka manomboka azo atao ireo zavatra izay tsy azo natao mihitsy taloha. Ny fampifanarahana amin’ny dian’Andriamanitra dia tsy inona fa ny firaisana Aminy. Mila fotoana ela ny fahatongavana eo, nefa tohizo hatrany izany. Aza milefitra satria mafy ny fanaintainana amin’izao fotoana izao, tohizo izany, ary tsy ho ela dia ho hitanao fa manana fahitana vaovao sy fikasana vaovao ianao.