FEHEZO NY TENANAO
“Atolory ho mpanompon’ny fahamarinana ho amin’ny fahamasinana ny rantsam-batanareo.”
Romana 6:13-22
Tsy afaka mamonjy sy manamasina ny tenako aho; tsy afaka manao asa fampihavanana noho ny ota aho; tsy afaka manavotra izao tontolo izao aho; tsy afaka manitsy izay tsy mety aho, na manadio izay maloto, na manamasina izay tsy masina. Asan’Andriamanitra feno fiandrianana avokoa izany rehetra izany. Manam-pinoana amin’izay nataon’i Jesosy Kristy ve aho? Efa nahatanteraka asa fampihavanana tonga lafatra Izy, moa ve zatra mampanjary izany ho tena zava-misy mandrakariva aho? Tsy ny manao zavatra no filàna lehibe, fa ny mino zavatra. Ny Fanavotan’i Kristy dia tsy zavatra iainana, fa ilay asa lehibe nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, ary eo amboniny no tsy maintsy anorenako ny finoako. Raha manorina ny finoako amin’ny zavatra niainako aho, dia mamokatra ilay karazana tena mifanohitra indrindra amin’ny Soratra Masina, dia fiainana mitoka-monina, ka ny masoko mifantoka amin’ny fahafotsiko manokana. Mitandrema amin’ny toe-pivavahana izay tsy miorina mialoha amin’ny asa fampihavanan’ny Tompo. Tsy mahasoa afa-tsy amin’ny fiainana mihiboka izany; tsy misy ilàn’Andriamanitra azy ary manorisory ny olona. Refeso amin’ny Tompontsika mihitsy ny karazana zavatra iainana rehetra. Tsy afaka manao zavatra mahafaly an’Andriamanitra isika raha tsy minia manorina eo amin’ny fototra napetraky ny Asa Fampihavanana.
Tsy maintsy miseho eo amin’ny fiainako amin’ny fomba azo tsapain-tanana, tsy misehoseho ny Asa Fampihavanan’i Jesosy. Isaky ny mankatò aho, dia eo anilako ny Maha-Andriamanitra tanteraka, ka mifanojo ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fankatoavana voajanahary. Ny fankatoavana dia midika fa nampianteheriko tamin’ny Asa Fampihavanana ny zava-drehetra, ary valian’ny hafalian’ny fahasoavan’Andriamanitra mihoatra ny voajanahary avy hatrany ny fankatoavako.
Mitandrema amin’ny toe-pivavahana mandà ny fiainana voajanahary, fa fitaka izany. Ento mandrakariva eo amin’ny toeram-pitsaran’ny Asa Fampihavanana ny tenanao — aiza ny fahaiza-manavaka momba ny Asa Fampihavanana ao amin’ity zavatra ity, ary ao amin’itsy?