Fisaintsainana isan’andro

AHOANA NO HAHAFANTARAKO IZANY?

Misaotra Anao aho, Ray ô . . . satria nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina ireo zavatra ireo, ary nambaranao tamin’ny zaza madinika.

Matio 11:25

Ao amin’ny fifandraisana ara-panahy dia tsy mitombo tsikelikely isika; na efa ao isika na tsy ao. Tsy manadio antsika miandalana hatrany ho afaka amin’ny ota Andriamanitra, fa rehefa ao amin’ny mazava isika, ka mandeha ao amin’ny mazava, dia voadio amin’ny ota rehetra. Resaka fankatoavana izany, ary tonga lafatra avy hatrany ny fifandraisana. Mialà amin’ny fankatoavana na indray segondra monja, dia miasa avy hatrany ny haizina sy ny fahafatesana.

Voaisy tombo-kase avokoa ny fanambaran’Andriamanitra mandra-pisokatra amintsika amin’ny alalan’ny fankatoavana. Tsy ho vitanao velively ny hanokatra izany amin’ny filozofia na ny fisainana. Raha vao mankatò ianao, dia tonga toy ny tselatra ny hazavana. Avelao hiasa ao anatinao ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandrobohana ny tenanao ao aminy, fa tsy amin’ny fitebitebena handalina azy. Ny hany fomba hahafahanao mahalala dia ny mitsahatra tsy miezaka mamantatra sy ny fahaterahana indray. Ankatoavy Andriamanitra amin’ilay zavatra asehony anao, dia hisokatra avy hatrany ny zavatra manaraka. Mety hamaky boky vaventy maro momba ny asan’ny Fanahy Masina ny olona iray, nefa fankatoavana hentitra dimy minitra monja no hampazava ny zavatra rehetra tahaka ny tara-masoandro. "Heveriko fa ho takatro ireo zavatra ireo indray andro any!" Afaka mahatakatra izany ianao izao. Tsy ny fianarana no mahavita izany, fa ny fankatoavana. Sombiny faran’izay bitika amin’ny fankatoavana, dia misokatra ny lanitra ary anao avy hatrany ireo fahamarinana lalina indrindra avy amin’Andriamanitra. Tsy hanambara fahamarinana fanampiny momba ny Tenany aminao mihitsy Andriamanitra mandra-pankatoavanao izay efa fantatrao. Mitandrema sao tonga "hendry sy manan-tsaina."

Hiverina amin’ny kalandrie

Atombohy amin’ny fotoana mangina mifantoka amin’i Kristy ny andronao.

Hisoratra anarana